- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversFjkm Rangaina : Vita ny fanitarana ny fiangonana

Fjkm Rangaina : Vita ny fanitarana ny fiangonana

Ankoatr’ireo asa isan-karazany efa natao, dia fantatra izao, fa vita tanteraka ny fanitarana sy ny fanatsarana ny fiangonana Fjkm Rangaina. Hatolotra amin’ny alahady ho avy izao, eny an-toerana izany asa vita rehetra izany araka ny fanazavana azo. Marihana fa, ity fanitarana ity dia isan’ny tafiditra tao anatin’ny hetsika fankalazana ny faha-150 taonan’ny fiangonana. Amin’io alahady  4febroary io ihany koa no hanakatonana tanteraka izany fankalazana izany. Araka izany dia miantso ny zanak’ampielezana rehetra ireo tompon’andraikitra, ho tonga eny an-toerana amin’izany fotoan-dehibe izany. Manomboka amin’ny sivy ora sy sasany maraina ny fotoam-pivavahana, araka ny fantatra hatrany ary hisy ny fandraisana ny fanasàn’ny Tompo. Aorian’izany, raha ny fanazavana azo hatrany dia hisy ny fiaraha-misakafo izay hatao eny an-toerana. « Ny sakafo no hiraisana amin’io fotoana io fa ny fitaovam-pihinanana no samy mitondra » hoy ny tompon’andraikitra. Manentana ny fahatongavan’ny rehetra araka izany, izy ireo.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici