Famaranana ny fankalazana ny jobily faha-25 taona nitandreman’ny mpitandrina Rasolonirinamarijaona Davida
« Satria malala eo imasoko ianao » Isaia 43 4A
Io tenin ‘Andriamanitra io no nofidian’ny Mpitandrina Rasolonirinamarijaona Davida mivady ho teny faneva fankalazana ny faha-25 taona naha mpitandrina azy . Efa nitandrina tao amin’ny fiangonana Ambohimandry synodam-parintany avaratra Ankaratra izy, avy eo dia tao amin’ny fiangonana Soavinimerina synodam-parintany Antananarivo Avaradrano ihany ary dia izao ao amin’ny fiangonana FJKM tranovato Anjanahary Maritiora izao Ho famaranana an’izany jobily izany sy ho fisaorana sy fiderana an’Andriamanitra dia hisy fanopoam-pivavahana hatao ny Asabotsy manomboka amin’ny sivy ora sy sasany ho tarihan’ny foibe FJKM sy ny synodam-parintany Antananarivo Avaradrano , ary ny Alahady kosa dia hiarahana amin’ny zanaka am-pielezana sy ny reny fiangonana ary hiditra amin’ny valo ora sy sasany kosa ny fotoana .
NARY Ravonjy