Ny 11 novambra ho avy izao no fantatra fa hanatanterahan’ny ireo mpino avy ao amin’ny Fiangonana kristianina protestanta vaovao na Fkpma, etsy Ankazomanga ny alahadin’ny Taranaka. Toy ny fanao isan-taona dia hisy ny fanompoam-pivavahana lehibe izay atao eny an-toerana amin’io fotoana. Izany dia hiditra amin’ny sivy ora sy sasany, araka ny fanazavàna azo avy tamin’ny tompon’andraikitra. Manomboka amin’ny valo ora maraina kosa ny fandraisana ny valopy sy ny vokatra, raha ny vaovao hatrany. Araka izany, dia miantso ireo zanaka am-pielezana rehetra sy ireo kristiniana nahazo sy nahita fahasoavana tao amin’izany fiangonana izany, ny mpitandrina sy ny fiangonana manontolo, mba ho tonga marobe eny an-toerana hiara-hidera sy hiara-hivavaka amin’izy ireo amin’izany andro lehibe izany.
m.L