- Publicité -
dimanche, mai 11, 2025
AccueilFaits-DiversFleury Rakotomalala : Torian’i Patrick Raharimanana

Fleury Rakotomalala : Torian’i Patrick Raharimanana

Eo anivon’ny fitsaràna malagasy sy ny fitsaràna frantsay no nilazan’i Patrick Raharimanana fa hametrahany ny fitoriana an’i Fleury Rakotomalala. Io farany izay tsy mitsahatra ny miditra amin’ny tambajotra sosialy ary mitantara toe-javatra maro izay mahakasika ny fiainam-pirenena, indrindra tamin’ny vanim-potoanan’ny tetezamita. Tamin’ity indray mitoraka ity dia ny famoahana vaovao momba ny depiote vavy izay tsy hita ankehitriny rehefa karohin’ny fitsaràna no nampifanolana azy roalahy izay samy mahery fo amin’ny tambajotra sosialy ary samy arahin’ny olona maro ny tantara izay havoakany amin’ny aterineto. Ny iray eto Madagasikara ary ny toriana kosa dia ao Lafrantsa. Io farany dia hotorian’itsy voalohany noho ny fanalam-baràka, ny fanaovana hosoka ary ny fanendrikendrehana amin’ny zavatra tsy marina. Ny toe-javatra toa izao dia manaporofo hatrany fa tena mampiady ny tambajotra sosialy ary tsy dia tena ny ady an-dalambe intsony no maro mandeha any amin’ny fitsaràna ankehitriny fa ny fisintomana lakolosy isan-karazany eny amin’ny aterineto. Mizotra mankany amin’ny fanakorontanana saim-bahoaka ankehtiriny ny fandrosoan’ny teknolojia raha tsy mipetraka tsara ny arofanina amin’ny fampiasàna izany.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

4 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici