Ao anatin’ny fanavaozana ny fiangonana ny mpino kristiana ao amin’ny FLM Antaolanomby Alakamisy Anativato, distrikan’i Betafo amin’izao fotoana izao. Voatery apetraka ao am-piangonana avokoa ny fitaovana ampiasaina amin’ny fanamboarana ny fiangonana.
Tsy kely làlana tokoa ny ratsy, fa hatramin’ny fiangonana amin’izao no efa sahin’ireo jiolahy robaina. Ny herinandro teo mantsy raha ny fanazavana azo tamin’ny mpitandro filaminana, dia novakian’ny jiolahy ity fiangonana asiam-panamboarana ity. Avy eny ambony tafo no voalaza fa nidiran’ireo jiolahy ary noraofiny avokoa ny fitaovana rehetra tao am-piangonana. Isan’ny very tamin’izany ny simenitra folo kitapo, ankoatra ireo fitaovana fampiasana. Niara- nientana ireo mpinon’ny fiangonana niaraka tamin’ny fokonolona sy polisy nanao ny fizahana sy ny fanadihadiana rehetra. Tsy nivoaka ny bonga dia tratra ny roa lahy tamin’ireo mpamaky fiangonana, niaraka tamin’ny simenitra 8 raha toa ka efa lafon’izy roa kosa ny 2 gony. Voasambotra ihany koa ny mpividy entana halatra. Natolotra ny fampanoavana omaly talata moa izy roalahy voasambotra ireto.
Andry N.