- Publicité -
dimanche, mai 11, 2025
AccueilFaits-DiversFLM :  Miparitaka amin’ny firenena maro ao Afrika ny " use your...

FLM :  Miparitaka amin’ny firenena maro ao Afrika ny  » use your talents « 

Teto Madagasikara no nanombohan’ny ampiasao ny talentanao voalohany ny taona 2008 na “use your talents” izay karakarain’ny fiangonana Loterana Malagasy. Nihitatra manerana ny firenena nahazo ny firenana Afrika Antsinana izany ny taona 2002 ka isan’ireo firenana mampisa azy ny  ao Kenia, Tanzania, Cameroun, sy Afrika Atsimo  miaraka amin’ny firenena Norvezianina sy ny firenena aziatika. Tontosa teto Antsirabe ny atrikasa fanao isan-taona nahitana vahiny avy amin’ireo firenena ireo ny herinandro lasas teo. Tsy ny fiangonana Loteranina ihany no nanatanteraka ity atrika ity fa nahitana ireo fiangoanana hafa mpiara miasa aminy toy ny Pantekotista sy ny Methodiste.

Nalaina tamin’ny baiboly  ny teny hoe “ampisao ny talentanao”  hoy  ny filohan’ny Flm pasitora dokotera Rakotozafy Denis raha nanazava, fanomezana avy amin’ny Andriamanitra hoy ny talenta ary ampiasaina amin’ny asa andraiketana eo amin’ny fiangonana. Tsy eo amin’ny resaka fitantanana ihany no ampiasana azy fa  amin’ny fitoriana ny filazantsara ihany koa ary  fampandrosoana ny maha olona.  Ankoatra izay  hery ampiasan’ny fiangoanana ny fitrandrahana ny talenta  hisian’ny fampandrosoana sy fampivoarana  tsy eo amin’ny fiangonana ihany fa hipaka amin’ny fiainan’ny olona rehetra.

Tanjon’ny atrikasa dia ny fifampizarana traikefa amin’ireo firenena samihafa izay mampihatra ny “ampisasao ny talentanao” manana fahazotoana kokoa ny olona hampihatra azy amin’ny firenena misy azy. Hahafan’ny fiangonana mampiditra ao anatin’ny seham-pampianarana ny fomba fiasa manaraka ny “ampiasao ny talentanao”.

Andry N

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici