- Publicité -
dimanche, juillet 27, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFMFOI : Hetsika paska ao amin’ny Coliséum

FMFOI : Hetsika paska ao amin’ny Coliséum

Efa nanomboka omaly ary hitohy anio ny fankalazana ny Paska amin’ny endrika hafakely izay ataon’ny FMFOI iarahany amin’ny Pasitera Benjamina. Hitohy anio ary amin’ny 29 martsa ihany koa izany, ao amin’ny Coliséum. Tsy misy vidim-pidirana izany ary nampanantena ny mpitarika ny fiangonana fa hisy ny valim-bavaka ho an’izay ho tonga. Omaly dia nisy ny fitsanganana vavolombelona izay nilaza ho nahazo izany fahasoavana izany, nandritra ny hetsika filaharam-be masina nataon’ny fiangonana, tamin’ny faritra maro eto an-drenivohitra, mba ho fanamarihana ny faha-20 taonan’ny onjam-peo. Ankoatra izany dia isan’ny nomarihan’ny pasitera tompon’andraikitra no sady mpitarika ny fiangonana fa na avy amin’ny alàlan’ny antso an-tariby fotsiny aza, izany hoe amin’ny fidirana an-tsehatra ao amin’ny fandaharana, rehefa ao izy, dia mety ho efa iasan’ny herin’Andriamanitra. Isan’izany ny fanazavany fa nisy olona natao teo amin’ny sofiny ny telefaonina dia nitarika fahasitranana ho azy izany. Io farany anefa dia nivoaka tariby mpitondra herinaratra ny vavany kanefa tsy nisy rà nivoaka. Dia fahasoavana toy izany no tena hozaraina ao amin’ny Coliséum mandritra ny telo andro ka niantomboka omaly. Ny tolakandron’ny anio, amin’ny roa ora, ny andro faharoa amin’ny 10 ora kosa dia amin’ny faradoboka, izay amin’ny 29 martsa. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ihany koa ny fitrotroana am-bavaka ny firenena.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici