- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversFoibe fitsaràna fiarakodia : Olona telo misandoka ho mpiasa, nadoboka am-ponja

Foibe fitsaràna fiarakodia : Olona telo misandoka ho mpiasa, nadoboka am-ponja

Olona telo, izay misandoka ho mpiasan’ny Visite technique no voasambotra sy natolotra ny fitsaràna. Ny iray tamin’ireo dia vao tamin’iny herinandro nivalona iny, araka ny fanazavàna nentin’ny Tale Jeneraly eo anivon’ity Foibe Fitsaràna fiara ity, ny Jly Ratelo André. Manatona avy hatrany ireo olona mila raharaha ao amin’ity sampan-draharaha ity izy ireo ary milaza fa mahavita haingana ireo taratasy rehetra ilaina. Volabe no takian’izy ireo amin’izany. Tonga tany am-pototsofin’ny tompon’andraikitra izany asa ratsy izany ka nisy ny fepetra noraisina. Nahafahana nisambotra azy ireo. Fantatra moa dia nadoboka avy hatrany eny Antanimora ireto mpisoloky ireto miandry ny fotoam-pitsaràna azy.

Fanaovana tomban’ezaka sy jery todika tokoa izao faran’ny taona izao, ary tsy diso anjara tamin’izany ry zareo eo anivon’ny Foibe fitsaràna fiarakodia etsy Alarobia, izay nanatanteraka fiaraha-mikorana tamin’ireo mpiasa tetsy Alarobia omaly. Saika voateny sy voatondro molotra foana tokoa mantsy tamin’iny taona iny ity sampandraharaha iray eo ambany fiahian’ny zandarimariam-pirenena ity, noho ireo loza isan-karazany nahafaty olona niseholany tamin’ity taona ity. Nisy araka izany ny baiko napetraka, izay azo lazaina fa tanteraka amin’ny ankapobeny ary nahitam-bokata tokoa, araka ny fanazavàna nomen’ity tompon’andraikitra voalohany ity hatrany. Anisan’ireny ny fanadiovana sy fanamafisana ny ady amin’ny kolikoly sy ny hosoka ka izao nahatratrarana ireo mpisandoka ireo. Fa ao anatin’izany baiko izany koa ny fanatsaràna ny fitaovana sy fotodrafitrasa. Miisa 17 ireo asa goavana notanterahina tamin’ity taona ity, ary mbola misy ny eo andalam-pamitàna izany.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici