- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversFoire « Renala » Menabe : Fampirisihana ireo mpandraharaha hampiasa...

Foire « Renala » Menabe : Fampirisihana ireo mpandraharaha hampiasa ny vola.

« Kolontsaina mampiavaka ny faritra Menabe ». Sary Anastase.

Maro ireo harena misy ao amin’ny faritra Menabe. Ilaina araka izany ny fitandrahana ara-drariny ireo harena ireo ho fampandrosoana ny faritra. Ho famprisihana ireo mpandraharaha hampiasa vola ao amin’ny faritra Menabe, dia hotanterahina ny faha-31 aogositra ka hatramin’ny 02 septambra 2017 izao, ao  amin’ny « salle d’œuvre catholique » Morondava,  ny « foire « Renala » Menabe.  Hetsika ara-tsosialy-toekarena sy kolontsaina hampahafantarana bebe kokoa ny faritra Menabe.

Sehatra. Tsy vitsy ireo tohana natao ny faritra Menabe miaraka amin’ireo mpiara miombona antoka aminy  amin’ny fampiroboroboana ny lafiny toekarena, ka natao izao hetsika izao mba ho fampahafantarana ireo zava-bita amin’ny sehatra maro samihafa, toy ny fotodrafitrasa, ny fambolena, ny fiompiana, ny harena an-kibon’ny tany, ny jono, sns. Ny  « foire »  dia sehatra iray ihaonan’ireo mpitondra fanjakana, ny mpamokatra sy ny mpandraharaha,  mba hamolavolana hatrany ny fiaraha-miasa mahomby ho  tombontsoa iraisana amin’ny alalàn’ireo  latabatra boribory samihafa.

Andiany faharoa. Marihina etoana fa efa nahitam-bokatra ny « foire Renala »  andiany faharoa, raha tsy hilaza afa-tsy ireo  vahiny mpandraharaha tonga nividy ny vokatra tao Menabe, toy ny voanjo, ny harena an-kibon’ny tany  sy ny harena  an-dranomasina, ireo fotodrafitrasa fametrahana herinaratra,sns…

Kolontsaina. Tsy ho latsa-danja amin’izany ihany koa ny lafiny kolontsaina izay mampiavaka ny faritra Menabe  sy ireo mpanakanto maro, tonga hanafana ny fotoana, toy  i Tsiliva, Dah Mama, Backon, Stephanie,Rabaza, Thyban, Tence Mena, sns.  Hisy ihany koa ny fitsidihana ny « Allée des Baobabs »

Anastase

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici