Raha ny lafiny ratsy foana hatramin’izay no tena nahalalàna ny faritra Androy taona maro nifanesy izay, dia tsara ny mampahafantatra fa anisan’ireo faritra manan-karena eto Madagasikara ity faritra amin’ny tapany atsimon’ny nosy ity. « Manan-karena olona, harena an-dranomasina, harena an-tanety, harena an-kibon’ny tany ary ara-kolontsaina raha ny faritra Androy », hoy ny Dr. Soja Lahimaro, governoran’ny faritra Androy, raha nifampiresaka tamin’ny mpanao gazety ny alatsinainy teo. Fotoana izao hampisongadinana ireo toetoetra mamaritra an’Androy ireo, hoy izy, ka nahatonga ny faritra hanatanteraka ny andiany voalohany amin’ny « Foire Voatse 2023 ». Haharitra efatra andro ity hetsika ara-toekarena sy ara-kolontsaina goavana ity, dia ny 4 ka hatramin’ny 7 oktobra ho avy izao izany ao Ambovombe, izay hampirantiana ireo harena, ireo vokatry ny fambolena sy fiompiana ary ny herijika ananan’ny faritra Androy. Efa vonona ny faritra amin’ny fanatanterahana izany ka entanina ny rehetra avy amin’ny lafy valon’ny nosy ho tonga. Fotoana ihany koa io hisarihana ireo mpiara-miombona antoka sy ireo mpandraharaha hampiasa vola sy hampiroborobo ny faritra Androy. Nofidina manokana ny anarana hoe « Voatse », noho izy io mirakitra hevitra maro. Voalohany amin’izany dia midika hoe « vokatra » ny voatse amin’ny teny antandroy. Heviny lehibe faharoa dia ny hoe « fivoarana », hanamarihana fa faritra mankany amin’ny fandrosoana tokoa Androy. Ary ny fahatelo dia firavaky ny vehivavy any amin’ny faritra Androy ny voatse. « Toerana mamokatra ary mbola azo trandrahina tsara Androy, ary tsy mena-mitaha amin’ny faritra hafa izy raha ny harena misy ao aminy. Ary ny tanjona dia ny ho sangany », hoy hatrany ny Dr. Soja Lahimaro, governoran’ny faritra Androy. Marihina moa fa maro ireo tetikasam-panjakana natao tany amin’ny faritra Androy tato anatin’ny efatra taona izao, na izany teo amin’ny fananganana fotodrafitrasa isan-karazany na izany teo amin’ny ady amin’ny kere.
Nangonin’I T.M.