Teto Toamasina voalohany tao amin’ny fokontany Ambalakisoa no nisehoan’ity raharaha hafa kely ity, satria nokasaina ilay rangahy 62 taona naolana ity ankizivavy 5 taona ity, saingy tontosa izany noho ilay rangahy voalaza fa maty filahiana. Isany betsaka ireo nanaraka ny raharaha teo anivon’ny fitsarana ady heloka bevava noho ilay raharaha nahaliana olona maro indrindra ireo mpiara-monina taminy tao Ambalakisoa. Teo am-pamakiana ny tao anatin’ny antontan-taratasin’ady laharana 57-TOA/21-084-RP/21, dia voafaritra Raymond no narana’ity rangahy 62 taona saika hanolana ankizy 5 taona ity, ka ny renin’ilay zaza antsoina hoe Razafinirina Florentine no mpitory tamin’izay ny 11 Janoary 2021. Nandritra io famakiana ny antotan-taratasin’ady io no nahalalana ihany koa fa notambazan’ilay rangahy 62 taona vola 300 ariary ilay ankizy 5 taona tsy hiteny na amin’iza na amin’iza, ary notarihany tao an-tranony nandritra izany, raha nirahin’ny reniny nandeha haka rano tamin’izay. Mipetraka irery moa ilay rangahy be 62 taona ity ka mora taminy no nampiditra ilay ankizivavy tao an-tranony. “Rehefa tonga tao an-tranony aho dia noesoriny ny silipoko ary natsofony tao amin’ny fivaviako ny maha-lehilahy azy, tsy nahare naharary aho nandritra izany fa ny fanondrony nantsony tany amin’ny fivaviako vao henoko naharary ahy”, hoy ny fitantaran’ilay zazavavy tao anaty antotan-taratasin’ady novakian’ny mpiaridraharaha. Niezaka niaro tena ilay rangahy be 62 taona nilaza fa efa 5 taona izy no nipetraka irery ary efa 10 taona izy no tsy nanao firaisana ara-nofo intsony, ka izay no antony tsy nahatafiditra izany intsony ka natsahatro ilay fikasana. Fantatra nandritra izany fa efa maty filahiana ilay rangahy 62 taona tao anatin’ny 10 taona tsy nanaovany firaisana ara-nofo intsony ity. Vokatra io antony io dia novaina ny antom-piapangana ilay rangahy, ka lasa “fanaovana firaisana ara-nofo tamin’ny ankizy tsy ampy taona” indray, ka raha nivoaka ny didy dia dimy taona an-tranomazina asa an-terivozona ingahy Raymond 62 taona.
Malala Didier