- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversFokontany Ambolomadinika : Trano efatra kila forehitra, omaly

Fokontany Ambolomadinika : Trano efatra kila forehitra, omaly

“Tsy hainay izay niandohan’ny afo, fa trano efa nijoalajoala teny an-tafontrano no hitanay dia niezaka namonjy izay azo novonjena izahay fokonolona. Tsy nisy tao an-trano ireo tompony fa namonjy fotoam-bavaka avokoa”, izay no nambaran’ireo vahoaka maro niezaka namonjy ireto trano efatra nirehitra tao Ambolomadinika, ny misandratr’andro ny alahady teo. Raha ny zava-nisy, na niezaka mafy tamin’ny fampiasana izay fitaovana rehetra nahafahana namonjy ireo trano ny fonolonona, dia may kila forehitra avokoa ny entana tao anatin’ireo trano efatra. Tsy niitatra tamin’ny trano hafa kosa izany, noho ny fiaraha-mientana nisy tamin’ireto vahoaka marobe. Tonga mialoha ihany ny fiara mpamonjy voina sy hain-tranon’ny kaominina, saingy tsy afaka nanao na inona na inona fa tavela teny amin’ny arabe noho ny fahateren’ny làlana miditra ireto trano may; izay mahatonga ny ben’ny tananan’i Toamasina hatrany masiaka amin’ny tokony hanokafana ny lalam-pasika tsy hisian’ny trangan-javatra tahaka izao izay efa niseho ihany koa tao Depôt Analakininina vao tapa-bolana izay. Am-polony eo ny tra-boina tamin’izao hain-trano tao Ambolomadinika izao, izay miantso fifanampiana fa may kila forehitra tao anatin’ny indray mipi-maso avokoa ireo nohariana an-taonany. Misokatra kosa ny fanadihadiana noho ny ahiahin’ireo tompony, ankasomparana  na misy ihany koa ireo nilaza fa  herinaratra niverina tampoka noho ny fahatapahan’ny jiro ny alahady maraina teo no anton’izao hain-trano izao. Ho hita eo ny tohin’ny raharaha…

Malala Didier

 

 

 

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici