Very hevitra tanteraka amin’izao fotoana izao ireo vahoaka ao Belinta fokontany Amborovy. Trano 60 tafo mahery teo mantsy no voatery narodana omaly teny an-toerana. Any an-tokotany avokoa ireo vahoaka no lasa mialokaloka manorim-ponenana, ny sasany voatery miantrano any amin’ireo namana eny amin’ny manodidina. Betsaka amin’izy ireo no zaza madinika, ao ireo zokiolona ary misy koa ireo izay mbola mitaiza kely. Fatiantoka an-tapitrisany maro ny an’ireo vahoaka manoloana izao tranga izao. Nihevitra ny hihary nefa ny kely nananana indray ity no very maina tsy nisy noraisina. Alahelo tsy roa aman-tany ny azy ireo nandritra ny fandrodanana rehetra, nisy mihitsy aza no safotra satria tsy manan-kitodihana intsony.
Ny taona 2015 tany no efa nisy fisantarana ny handravana ireo trano rehetra tao Belinta ireo saingy nanohitra hatrany ireo fokonolona tamin’ny alalan’ny fihetsiketsehana samihafa sy ny fampiakarana ny raharaha teny anivon’ny fitsarana, saingy toa rava fotsiny ihany. Nilaza ireo fokonolona taty aoriana fa nampiakatra tany amin’ny fitsarana an-tampony ka efa nahazo fampanantenana teny anivon’izany sy ireo mpitondra, saingy mbola very maina hatrany. Ankehitriny, mbola milaza ny hitolona hatramin’ny farany izy ireo, eny fa na dia nilaza aza ireo mponina sasany fa hifampiraharaha amin’ilay orisana amin’ny hamerenana ny valin-kasasaran’ireo tamin’ny lany rehetra nandritra ny fandravana ny tranony. Saika tany amin’ny taona 60,70 sy 80 tany avokoa ny maro amin’ireo vahoaka ireo no nipetraka tao amin’io toerana io, taona maro aty aorina vao misy milaza ho manan-tompo ny tany. Amin’izay dia mbola teratany vahiny ihany koa, eo indrindra no mampametra-panontanina ireo vahoaka hoe : « omena an’iza tokoa moa ny tany ? Ho an’ny vahiny ve sa ho an’ny Malagasy mpiray tanindrazana ? »
Etsy ankilany, manamafy ny orinasa izay aty an-toerana nilaza ho tompon’ny tany amin’izao fotoana fa efa nahazo taratasy teny anivon’ny prefektora mialoha momba ny fandrodanana ireo trano ny teny an-toerana. Efa nandefa fampilazana mialoha ho an’ireo vahoaka. Efa voaray koa ny taratasy manontolo milaza ny maha azy ireo tanteraka ny tany avy eny anivon’ny fitsarana sy ny ministera, ny volana oktobra lasa teo. Amin’ny fiandohan’ny taona ho avy io aza moa raha ny fantatra dia efa hanangana fotodrafitrasa lehibe eny an-toerana ny orinasa. Fananganana izay efa nahazoana alalana rahateo ary efa vita sonia mazava tsara tany amin’ny ben’ny tanàna lefitra misahana izany eto Mahajanga. Notsindrian’ny avy ao amin’ny orinasa nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety fa mbola manamafy izy ireo ny amin’ny hanomezan’ny orinasa ilay sombintany ho an’ireo vahoaka rava trano raha sitrak’izy ireo izany, mety hisy ihany koa aza ny fanonerana ny simba any aoriana any.
Tantely Vandriam