Ny alin’ny alakamisy 28 janoary 2021 nifoha ny zoma 29 janoary 2021 teo, dia nitrangan’ny olana ara-tokantrano mahery vaika tao amin’ny fokontany iray Analampenja, tao Mananara Avaratra. Nandritra izany dia rangahy iray 40 taona teo, antsoina hoe “Moh”, no nidaroka ny vadiny sy ny rafozam-baviny. Ny antony, araka ny angom-baovao hatrany, dia disadisa teo amin’izy mivady. Vao herintaona no nifankahitan’izy mivady ireto, tsy mbola niteraka ihany koa, saingy niafara tamin’ny fisintahan’ilay ramatoa ny raharaha nitranga nandritra izany. Tsy nahafoy am-badiny anefa Ingahy “Moh”, ka nofirainy antsy ny loham-badiny sy ny lohan’ny rafozam-baviny. Naratra mafy izy mianaka ireto saingy tsy maty kosa fa mbola mandalo fitsaboina eo anivon’ny hopitaly be Mananara avaratra. Araka ny vaovao anefa dia voatery nalefa any Antananarivo mihitsy ilay ramatoa noho ny ratra nahazo azy mba hahazo ny fitsaboana sahaza ny faharatrany tamin’ity fira antsy nataom-badiny ity. Ny alina nisian’ny tranga fira antsy ihany dia efa natao ny fikarohana an’Ingahy “Moh” tany an-toerana, ka ahiana ny fitsaram-bahoaka amin’izao raharaha izao raha tratran’ny fokonolona ity rangahy nidaroka am-badiny sy rafozam-baviny ity. Ankoatra izany dia nitrangan’ny ady totohondry nifanaovan’ny mpiady tany indray tao anaty fefin’ny distrikan’i Mananara avaratra. Raha ny vaovao dia efa eo am-pandaminana ny raharaha tany ity ny teo anivon’ny distrika, saingy nisafidy ny hifandamina amin’ny fanaovana ny ady totohondry ny roa tonta mpiady nandritra izany. Samy nahazo izay sahany ireto fianakaviana mpiady tany ireto, ka raikitra ny ady saritaka nandritra izany, ka rava maina ilay fandaminana saika hatao teo amin’izy ireo nandritra ity alakamisy 28 janoary 2021. Ny tena olana aza dia mbola nitohy teny amin’ny fokontany nisy azy ireo ny ady totohondry nandritra izany, ka voatery niditra an-tsehatra ny mpitandro filaminana tao Mananara Avaratra. Tsy nisy kosa ny fisamborana nandritra izany.
Malala Didier