Ny sabotsy teo raha teo am-piandrasana ilay rivo-doza Batsirai ny teto Toamasina sy ny manodidina, dia zavatra hafa no nitranga tao amin’ny kaominina ambanivohitra Amboditandroho tao amin’ny fokontany Ankarefo. Mpivady no notafian’ireto andrian-jiolahy nirongo sabatra sy antsy, ka lasan’izy ireo tamin’izany ny vola 16 tapitrisa ariary raha noteren’izy ireo tao izy mivady ireto hamoaka ny vola. Nofatoran’ireo jiolahy izy mivady raha vao azony izay nitadiaviny, saingy nandà izany ilay ramatoa noho izy ireo efa nanaraka ny sitra-pon’ireto jiolahy. Tezitra tamin izany ireto farany ka nidaroka mafy azy. Voatery nentina taty Toamasina renivohitra, teo anivon’ny hopitaly be, ilay ramatoa noho ny ratra mafy nahazo azy, ka notsaboina. Ny alahady ihany dia nametraka fitarainana sy fitoriana teo anivon’ny zandary misahana ny tananan’i Toamasina II izy mivady ireto, ka avy hatrany dia nanomboka ny fikarohana nataon’ny zandary ireto andian-jiolahy ireto. Voasambotra avy hatrany ny iray tamin’izy ireo ka nentin’ny zandary natao fanadihadiana taty Toamasina renivohitra. Tsy fantatra mazava ny tohin’ny fanadihadiana natao fa ny fantatra dia niverina hisambotra ireo namany indray ireo zandary misahana ny raharaha, ka ho hita eo ny tohin’ny raharaha mikasika ireo naman’ity jiolahy efa tratra ity. Efa nilaza ny zandary fa tsy mandefitra amin’ny halatra sy fanafihana olona ary vono olona izy ireo, fa tsy maintsy karohina izy ireny mba hamita ny saziny any am-ponja araka ny didy navoakan’ny fitsarana.
Malala Didier