Saron’ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria misahana an’i Toamasina I ireo dimy lahy mpamaky trano. Mbola tratra niaraka tamin’izy ireo, ny fitaovana fampiasany tamin’izany famakiana trano izany sy ireo fitaovana fampitahorana sy fandratrana olona tahaka ireo basy kilalao sy ireo antsy lavalela ary ireo saron-tava samihafa. Raha ny fanazavan’ilay rangahy tompon-trano tratran’izao vaky trano izao, efa 05 volana tsy tao an-trano izy ireo, fa tavela tany Antananarivo noho ny fihibohana noraisin’ny fanjakana tampoka ny volana marsa lasa teo. Vao nahazo nisokatra anefa ny lalana, dia izao tonga izao ilay rangahy tompon-trano nijery ny zava-misy, vao manaraka ny vady aman-janany, nefa tratran’izao vaky trano izao indray ny tenany. Nambaran’ny kaomisera misahana an’i Toamasina I sy nohamarinin’ilay rangahy vaky trano, fa ny 04 septambra tamin’ny 02ora sy sasany maraina no tonga namaky trano ireto 05 lahy, teo am-baravarankely no nosokirin’ireto mpamaky trano ireo nidirany tao an-trano na mafy be aza ny hidiny. Vao tafiditra izy ireo hoy ilay rangahy, dia vola tao an-trano sy ny solosaina no notakian’izy ireo havoaka; tsy nandà izany ny tenany fa jiolahy dimy lahy be izao no tao an-trano ka tsy nisalasala nanome ireo nangatahan’izy ireo rehetra. Nandritra izay anefa, dia nanam-potoana niantsoana ny namany ihany ny tenany, ka ilay namany indray no niantso polisy hanavotana ity rangahy novakin’olona trano tao Depot 4ème ity. Tonga ara-potoana ny polisy vao nahazo ny antso, saingy notapahan’ireo jiolahy ny jiro tao an-trano vao tonga izy ireo. Niezaka ny niditra ihany ireto polisy noho ny traikefany, satria lalan-tokana ihany ny fidirana sy ny fivoahana amin’ilay trano, ka sarona tao izy dimy lahy, na niezaka niafina tao amin’ny trano fidiovana aza ny iray tamin’izy ireo, ary avotra soaman-tsara ihany ilay tompon-trano nohazonin’ireo mpamaky trano tao an-tranony. Miandry fitsarana am-ponja avokoa ireto mpamaky trano tratra ambodiomby tao Depot 4ème ireto.
Malala Didier