Loza! Izay no azo andikana ity tranga hain-trano niseho tao Dépot Analakininina ny maraina ny alatsinainy tokony tamin’ny 01ora maraina ity. Raha ny fanazavana azo, ary nanamarika izany avokoa ireo olona teo amin’ny fokontany namonjy, dia hain-trano niniana natao tamin’ny fandrarahana lasantsy ity trano no nitranga.
Trano telo no rotiky ny afo raha ny iray mbola nisy ampahany azo noraisina nandritra izany. Ny entana tao anatin’ireo trano no tena naha-be ny fahavoazana, satria nisy tamin’ireo may kila forehitra no “cyber-café” teo an-tanana, izay misy solosaina maromaro sy ny tambanjotra fampiasan’ilay “cyber”. Teo koa ny famaizan’ireo vola tao an-trano, satria vao tsy el any faran’ny volana fandraisana karama ho an’ny mpiasa. Araka ny fanazavan’ireo may trano dia niezaka namaky ny iray tamin’ireo trano may, izay ilay “cyber” araka ny vaovao, ireto mpangalatra; saingy tsy vakiny izany ka tezitra izy ireo noho ny hidiny, hany fara-heriny dia nandraraka lasantsy tamin’ilay trano ary nandoro izany. Nifindra toeran-kafa izy ireo novakiana lavidavitra teo ireto mpangalatra taorian’izany, izay tsy mbola fantatra ny zavatra very tamin’ity trano novakiana ity. Mahita ny vahoaka eto Toamasina izao fa tena tsy nisy dikany ny “operation” nataon’ny mpitandro ny filaminana tao anatin’ny iray volana mahery kely izao, fa tsy nampihena ny tsy fahandriampahalemana teto Toamasina akory, fa vao maika nampitombo ny traikefan’ireo andian-jiolahy.
Ny faran’ny herinandro teo anefa tonga teto Toamasina ny praiminisitra ary nanome baiko ireo manam-pehefana rehetra na ara-mpilaminam-bahoaka sy ny tompon’andraikitra ara-panjakana tsotra tafiditra tamin’izany, ny famerenana faran’izay haingana ny fahandriamaphalemana eto Toamasina, ary hanafoana ireo asa ratsy izao.
Malala Didier