Nodimandry ilay tovolahy lasan’ny ranomasina ny alahady atoandro lasa teo tao Depot I Toamasina. Niezaka nanavotra ihany ireo fokonolona saingy tsy avotra ihany ity tovolahy lasan’ny ranomasina. Raha ny fanazavana dia nafana be ny andro ny alahady io, sady mbola nisotrosotro ihany koa ilay tovolahy sy ny namany ny alahady maraina, ka lasa namonjy ranomasina ity tovolahy ity noho io andro nafana be io. Noho ny ela nandroana tao an-dranomasinan’ny depot anefa ity tovolahy ity, sy namonjy lalindalina dia iny no lasan’ny ranomasina hono ilay onja miverina iny mafo loatra tao Depot tao. Niezaka nanavotra azy ihany ireo nahita izany teto an-tanety namoaka azy tao an-dranomasina, avotra soa manantsara izy tao an-dranomasina fa efa tsy nisy aina intsony ary entin’ireo olona namonjy toeram-pitsaboana tao Dépot ihany. Saingy efa tsy avotra ny ainy nandritra izany na nanao ny ezaka rehetra aza ny mpitsabo nandritra izany rehetra izany. Raha ny fanazavana dia mpilalao baolina kitra eo anivon’ny fokontany ny Dépot ity tovolahy maty natelin’ny ranomasina ity.
Malala Didier