- Publicité -
jeudi, octobre 16, 2025
AccueilFaits-DiversFokontany Mangarano Toamasina : Roa vavy naratra mafy voatafika tao an-tranony

Fokontany Mangarano Toamasina : Roa vavy naratra mafy voatafika tao an-tranony

Efa tsy hay lazaina intsony ny tsy filaminana eto Toamasina renivohitra amin’izao fotoana izao. Tsy misy fokontany afa-maina ao anatin’izany tsy filaminana izay, fa samy mizaka ny tsy heran’ny ainy. Vao maraina be omaly alarobia tamin’ny 3ora maraina, dia notafihan’olon-tsy fantatra roa manao saron-tava ny tokantrano iray tao amin’ny lalam-pasika tao Mangarano. Nandritra io fanafahina io dia olona roa vavy monja ny tao an-trano, ka nanao izay tiany atao ireto jiolahy roa lahy ireto miaraka amin’ny sabatra nentin’izy ireo. Tsy misy afaka natao nandritra izany fa nomena avokoa ireo zavatra azo entina tao an-trano rehetra, mba hampandeha ireto jiolahy ireto. Lasa tamin’izany ny vola tao an-trano 130.000 ariary, ny finday tao an-trano, peratra volafotsy, kitapo misy kahie na mpianatra ao Barikadimy taona faharoa sy kara-panondro amin’ny anaran’ity tompon’ny kitapo. Ny tena nahagaga dia tsy misy olona manodidina afaka namonjy mihitsy ireto voatafika ireto, na efa niantso vonjy aza izy roa vavy tao an-trano. Tsy nisy naratra kosa ireo tao an-trano fa vao nahazo ny nilainy ireto jiolahy roa dia lasa ka tsy hita. Ny maraina vao tonga ny mpitandro filaminana nijery ny nanjo ity fianakaviana ity, ary nanao ny fanadiadiana mikasika izany. Ny fametrahana ny filaminana sy fiarovana ny olona sy ny fananany no tanjona ho an’ny mpitandro ny filaminana, ka tsy maintsy ezaka ny mikasika izany.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici