Loza no nitranga tao amin’ny fokontany Mangarano ny alin’ny alatsinainy teo, fa trano 15 tafo no kila forehitra ankoatra an’ireo tsy maintsy noravana mba tsy ampihitatra ny afo. Tonga avy hatrany alina teny Mangarano ireo solon-tenam-panjakana nijery ny tena zava-nisy sy nitondra avy hatrany izay voatsirambin’ny tanana ho an’ireo traboina vokatra ity hay trano ity. Nandritra izany no nahafantarana fa ady tamina mpivady no niteraka ity loza ity, satria raha ny fanazavana hatrany dia notopazan’ilay ramatoa menaka teo ambony fatana mahamay ny vadiny, saingy tsy nahavoa azy izany. Ilay moto teo akaikin’ilay rangahy no voa ka amin’ilay menaka nahamay dia niteraka afo tamin’ny lasantsy tao anatin’ilay moto izany ; ka izao niteraka fahamaizana trano 15 be izao ny alina ihany. Nifampitadiavana izy mivady niady nahatonga ny loza izao, saingy vao nirehitra ny tranony ary nihitatra tamin’ny trano teo akaikiny, dia nandositra izy roa ary tsy hita ny misy hatramin’izao. Nifanampy tamin’ny famonoana ny afo ny mponina tao Mangarano, sy ireo mpamonjy voina sy hay trano, ka tsy ela akory dia maty ny afo na teo aza ireo trano vita amin’ny vokatra eto an-toerana mora nirehitra may. Nilaza ireo olom-panjakana tonga nijery ny loza, fa vonona ny hanampy ireo mponina may trano ireo amin’ny fanarenana ny tranony sy ny fanamboarana ireo taratasy rehetra momba azy may nandritra ny firehetana.
Malala Didier