- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversFokontany Pelle 11/45Bis Toamasina : Mitaky ny fialan’ny sefom-pokontany ny fokonolona

Fokontany Pelle 11/45Bis Toamasina : Mitaky ny fialan’ny sefom-pokontany ny fokonolona

Mitroatra ny fokonolona ao amin’ny fokontany Pelle 11/45Bis noho ny ataon’ny filoham-pokontany sy ireo komity miaraka aminy. Nambaran’ireo mponina fa tia vola loatra ilay filoham-pokontany sy ny komity miaraka aminy ka tsy zakan’ny olona intsony. Nambaran’ireo fokonolona tamin’ny mpanao gazety tonga teny, fa vitan’ny filoham-pokontany sy ny komity ny maka vola aman’olona 10.000 ariary vao misoratra amin’ny olona mahazo ny Tosika Fameno sy Vatsy Tsinjo zarain’ny fanjakana. Ireo fokonolona tsy mandoa vola 20.000 ariary na 30.000 ariary aminy amin’ny fakana ireo antontan-taratasy ilaina amin’ny taratasim-panjakana karakaraina dia tsy omeny izany mihitsy. Nefa gaga ireto vahoaka fa isaky ny misy vola ilain’ny fokontany amin’ny asam-pokonolona dia itakiany vola avokoa ny olon-drehetra mandritra izany. Vokatr’ireo antony ireo dia namoaka ny tsy fahafalian’ny vahoaka tao amin’ny fokontaniny nilazany izany fanararaotam-pahefana ataon’ny filoham-pokontany sy ny komity izany. Nomarihan’ny fokonolona fa lefitry ny filoha teo aloha ihany no filoha ao amin’ny fokontany Pelle 11/45Bis ankehitriny, saingy maty moa ilay tena filoha ka nosoloin’ny fanjakana ny lefiny ihany ny mpitantanana ny fokontany. Mangataka ny fanesoran’ny fanjakana ity olona tsy voatendry ao amin’ny fokontaniny napetraky ny fanjakana ity ny vahoaka, fa tena mijaly amin’ny zavatra ataony ny rehetra. Hatreto anefa dia mbola mitazana ny zava-misy ny fanjakana, ka ho hita eo ny tohiny…

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici