Samy taitra ny manodidina ity asan-jiolahy tamin’ny famakiana fivarotana tao Tanamakoa P/elle 12/11 tokony tany amin’ny misasak’alina sy sasany tany ho any ny sabotsy teo. Niezaka niantso ny mpitandro filaminana ireo vahoaka manodidina saingy tsy nety azo izy ireo raha tsy adin’iray sasany taty aoriana.
Tao anatin’izany anefa dia tafiditra tao amin’ilay fivarotana ireto jiolahy fito lahy ireto, satria mora tamin’izy ireo nanampitsoka ilay varavarana. Vao tafiditra tao an-trano anefa ireto jiolahy, dia niezaka nitady vola ka nanohitra izany ilay tera-tany vahiny ka voadaroka avy hatrany ny tenany tamin’izay. Vokany naratra mafy teo amin’ny lohany, teo amin’ny tratrany ary teo amin’ny tongony ilay tera-tany vahiny. Raha nahazo sy nahita ny zavatra notadiaviny sy nokarohany ireto jiolahy fito dia lasa, ka taorian’izay nisy ny fitondrana ity tera-tany vahiny teny amin’ny toeram-pitsaboana. Nandritra ny fidiran’ireto jiolahy tao amin’ilay fivarotana dia niezaka saika hanampy ilay tera-tany vahiny manambady Malagasy ity ireo manodidina azy, saingy norahonan’ireo jiolahy mba hiverina raha tsy ho faty. Araka ny fanazavana ihany koa dia ny olana amin’ny kartie ao Tanamakoa ity dia ny resaka fanazavana ny Tanana, satria raha mba manao fanangonam-bola ny vahoaka hividianana takamoa dia tsy maharitra izany maty avokoa.
Ankoatra izany dia tokantrano iray tao Ankirihiry Avaratra P/elle 11/55 koa voatafika ny zoma teo tamin’ny 03ora maraina jifoha ny sabotsy. Telo lahy misarontava sy ireo namany izay tsy fantatra ny isany teny ivelany miambina ireo olona mifitra amin’ilay famakiana trano, indray no nahavita izany. “Tsy mpamono olona izahay fa mitady vola fotsiny” hoy ireo jiolahy, ka lasany tamin’izany ny vola sy ny finday rehetra tao an-trano, ary mbola nangatahan’izy ireo ny code ny “code” ny “mobile money” rehetra talohan’ny nialan’izy ireo ilay trano novakiany. Tao anatin’izay raha nanaraka ny nolazainy ireo olona tao an-trano dia tsy nikasin-tanana na nandratra olona ireto jiolahy ireto.
Raha ny eto Toamasina aloha tato ho ato noho ny ezakan’ny mpitandro filaminana dia foana ny fanafihana mitam-basy amin’ny andro mazava, saingy lasa fanafihana sy famakiana trano amin’ny alina indray izany, satria hain’ireo jiolahy ny zava-misy amin’ny alina. Mangataka noho izany ny vahoaka mba hisian’ny fisafoana matetika amin’ny alina ireo fokontany indrindra fa ireo mafana.
Malala Didier