- Publicité -
jeudi, août 21, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFokontany Tanamakoa Toamasina : Variana nijery Barea, nirehitra ny trano

Fokontany Tanamakoa Toamasina : Variana nijery Barea, nirehitra ny trano

Trano roa tao Tanamakoa, eo akaikin’ny tsena, no may kila forehitra raha variana nandeha nijery ny lalaon’ny Barea sy Cote d’Ivoire miverina ny tompony. Tsy fantatra ny tena niandohan’ny afo fa avy hatrany dia ilay izy niredaka be no hitan’ny olona manodidina sy ny mpandalo. Tsy azo nidirana nakana ny entana tao anatiny intsony ny trano, hany ka tsy nisy azo noraisina ireo entana rehetra tao anatiny. Raha ny fanazavan’ny mpamonjy voina dia mety ho ny fifampikasokana na fotselarana herinaratra no mety nahatonga izao haitrano izao, satria tsy hita izay antony nahamay ho azy teo ilay trano. Tonga namonjy afo teny noho ny hamafiny ny mpamonjy voina avy eo anivon’Ambatovy sy ny seranan-tsambo. Tamin’ny 04 ora latsaka no nanomboka ny afo, izany hoe ora vitsy tsy hanombohan’ny lalaon’ny Barea, saingy tsy tonga teny noho ny antso azony tara tamin’ny 04 ora sy 15min ny mpamonjy voinan’ny kaominin’i Toamasina, ary nanao ny asany ara-dalàna ka maty ihany ny afo noho izany. Efa eny amin’ny mpitandro ny filaminana ny raharaha ka andrasana izay fisokafan’ny fanadihadiana momba ity raharaha ity.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici