Manao antso avo amin’ny manam-pahefana mpitandro filaminana ireo mponina ao amin’ny fokontany Tsarakofafa, fa tena mirongatra ny famakiana trano ao an-toerana saika isan’andro, hoy ireo vahoaka. Mitondra fitaovam-piadiana sy zava-maraitra ireto andian-jiolahy ireto, toy ny antsy – famaky – sabatra, mandritra ny asa ratsy ataony. Tsy tahotra tsy henetra ireto jiolahy ireto fa miditra avy hatrany ao anaty tokantrano raha vao vakiny izany, ka mampihorohoro ireo olona tratrany ao ary maka ireo fananan’ireo mandritra izany. Mazana dia manomboka manodidina amin’ny 11 ora alina ary hatramin’ny 4 ora maraina any ho any ny fanaovan’izy ireo ilay asa ratsy. Saika misaron-tava avokoa ireto andian-jiolahy ireto manao izany asa ratsiny izany. Ity tokantrano iray tratra ny fanafihana ny tranony tao Tsarakofafa ity dia nakan’ireto andian-jiolahy vola roa tapitrisa Ariary sy ny peratra mariazin’ireo mpivady tao an-trano. Tsy noratraina na novonoin’ireto andian-jiolahy ireto izy mivady ireto nandritra izany, fa azony ny zavatra nilainy dia lasa izy ireo nandeha. Vokatr’ireto zava-misy ao Tsarakofafa saika isan’andro ireo, dia manao antso avy amin’ireo mpitandro filaminana eto Toamasina ireo mponina ny hijerena azy ireo, fa efa mandry andriranan’antsy ireo mponina amin’ny ataon’ireto jiolahy. Miandry izany ireto vahoaka amin’ny fiarovana azy, ary manantena vokatra amin’ny fisamborana ireo jiolahy.
Malala Didier


