- Publicité -
mardi, décembre 16, 2025
AccueilFaits-DiversFokontany Tsararivotra Toamasina : Andian-jiolahy folo namaky trano, nisy ny maty voatifitra…

Fokontany Tsararivotra Toamasina : Andian-jiolahy folo namaky trano, nisy ny maty voatifitra…

Voarain’ny olona maro ilay hoe tsy fikoropahana raha misy ny zavatra miseho toy famakiana trano. Nanao izany ity tokantrano iray tao Tsararivotra Toamasina renivohitra, satria nisy andian-jiolahy folo lahy avy namaky tranon’olon-kafa, saingy mbola nikasa hamaky trano iray hafa ity. Raha ny fialazan’ilay tompon-trano dia henony tsara ireto andian-jiolahy namaky ny varavarava nikasa hidira tao an-trano tao Tsarahonenana. Navelany vaky sy niditra soa aman-tsara ireto jiolahy fa mody natory maty izy, saingy vao tafiditra ireto andian-jiolahy dia norarafany tifitra avy hatrany. Voa soamantsara ilay jiolahy iray raha naratra kosa ireo ambiny sasany. Vao nahita izany ireto andian-jiolahy dia nivoaka haingana ary niezaka nibata ilay namany voan’ny Bala izy ireo. tsy zanakan’izy ireo anefa dia nafenin’izy ireo teo amptotry ny hazo tsy lavitra ilay trano notafihana. Niovaka nanara-dia ireto andian-jiolahy nitsoaka ireo tao an-trano, ka ilay rà raraka eran’ny lalana no nahitan’izy ireo ilay jiolajy iray miala teo ampototry ny hazo. Hita niparitaka teny an-dalana nitsoahana ihany koa ireo entana avy nangalarina rehetra tao Tsararivotra. Niantso zandary sy ireo fokonolona manodidina ireto tao an-trano ka tonga haingana ireto zandary niezaka hanavotra ireto tao an-trano. Nentin’ny zanday teny amin’ny tranom-patin’ny hopitaly moa ilay jiolahy maty voatifitra nandritra ny fidinana ifotony nataon’izy ireo. Tena ahazoana tombony tahaka izao ny tsy fikoropahana raha sendra vaky trano tahaka izao ny tsy fikorohana hoy ny zandary.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici