Miezaka manarina ireo voafonja mbola azo arenina ireo mpandraharaha sy fonja sy ireo olom-panjakana eto Toamasina, amin’ny fampianarana azy ireo mba ahazo ireo diplaoma tokony ho azony. Fantatra ary fa nisy ireo ankizilahy voafonja noho ny heloka vitany tamin’ny fiaraha-monina no niatrina ny fanadinana CEPE farany teo, ka niisa dimy ireo voafonja ireo no afa-panadinana soa amantsara. Tafiditra amin’ny fanajana ny zon’ny ankizy na eny amin’ny fonja izy ireo sy fampanajana ny zo maha-olona ny fampianarana ireo ankizy tsy ampy taona, ho fanararenana azy ireo alohan’ny fivoahany ny fonja. Ao anatin’izany dia misy ny fiaraha-miasan’izy ireo amin’ny Cisco Toamasina I sy ny fampianarana teknina sy fanofanana arakasa amin’ny fanomezana mpanabe ireo ankizy voafonja ireo. Ny tanjona ao anatin’izany ny mba hananan’izy ireo fahaiza-manao arakasa aoriany fivoahany ny fonja, ka afaka ahafahany mitady asa hamelony ny tenany any aoriana. Ankoatra izany dia mpiasa vavy mpandeha maraina amin’ny 05ora no noravain’olona teo akaikin’ny orinasa “Gallois” Anjona raha nikasa haka Tuc-tuc. Very lasan’ireo mpanendaka tao anatin’ny poketra nentiny ny vola sy ny finday ary tablette niaraka tamin’ny kara-panondro sy “carte bancaire”. Tsy noratrain’ireto mpanendaka moa ilay ramatoa tao anatin’ny fanendahana nahazo azy, fa ho an’izay mahita ny kara-panondro sy ny “carte bancaire” mety arian’ireo mpanendaka, mba hanatitra izay amin’ny manam-pahefana akaiky azy.
Malala Didier