Misy ny tandrevaka eo amin’ireo mpiandry fonja, matoa misy ireo gadra tafatsoaka. Izay, raha tsorina ny fanazavana nomen’Atoa Ranaivo Andrimaroahina Tovonjanahary, Tale jeneralin’ny Fandraharahana ny fonja eto amintsika. Ny mpiandry fonja tokoa mantsy no hiantefan’ny fanadihadiana voalohany, rehefa misy trangana fahavakisana trano figadrana iray; izay tsapa fa nisesisesy tato ho ato izay, raha tsy hiteny fotsiny afa-tsy ilay vao nitranga ny alatsinain’ny Pantekôty lasa teo tany Ambatolampy, ny tany Ihosy, ny tao Ambatondrazaka ary ny tao Arivonimamo. Fantatra ary fa mpandraharahan’ny fonja telo no voatery nalefa an-tranomaizina, noho izay zavatra izay, ary enina tamin’izy ireo kosa no naato avy hatrany tamin’ny asany, nanomboka ny fiandohan’ny taona teo.
Nambaran’ity tomponandraikitra voalohany misahana ny fonja ity,fa “tsy misy mihitsy ny kiantrano antrano eo amin’izy ireo. Rehefa hita fa tsy mahavita ny asany ara-dalàna, na niray tendro tamin’ny asa ratsy, dia tsy maintsy henjehina araka ny lalàna velona eto amintsika, toy ny olon-drehetra. Ny Minisiteran’ny fitsarana rahateo dia efa manao ny ezaka rehetra amin’ny fanadiovana anatiny, hisivanana ny vary amin’ny tsimparifary, fa indrindra eo amin’ny lafiny amin’ny fandraharahana ny fonja”. Marihana, raha ny fanazavana azo hatrany mbola misy antontan-taratasy miandry ireo tomponandraikitra mahakasika mpandraharahan’ny fonja, miisa 14.
Raha tsiahivina kely ny zava-nisy tao Ambatolampy tamin’io alatsinainy io, araka ny fanazavana azo hatrany, dia gadra enin-dahy no tafatsoaka rehefa avy nandavaka ny rindrin’ny fonja, tamin’ny alàlan’ny vy tamina tavimandry sy « seau » tao anatin’ireny efi-trano figadrana ireny. Tsy nisy nahare ny nanaovan-dry zalahy izany na dia in-droa nandavaka, nanala ireo biriky sy simenitra, aza ireo gadra. Ny maraina mantsy, raha handeha hanisa ireo voafonja ireo tomponandraikitra amin’izany no nahita ny lavaka mangotantana teo ambany vavahady sy teo amin’ny rindrin’ny fonja. Ary taorian’izay vao nandefa fanairana izy ireo. Hatramin’ny omaly aloha, raha ny vaovao azo hatrany dia tsy mbola nisy tratra izy enin-dahy tafatsoaka.
m.L