- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversFonjaben’Ambalatavoahangy Toamasina : Gadra nitsoaka, mifamahofaho ny antony

Fonjaben’Ambalatavoahangy Toamasina : Gadra nitsoaka, mifamahofaho ny antony

Lasa resa-be eto Toamasina ny naha-tafatsoaka an’ingahy Roby Alphonse raha izy nentina nitsabo tena teny amin’ny hopitaly be iny izay zony ary efa nahazoany fahazoan-dàlana mazava tamin’ny tompon’andraikitry ny fahasalaman’ny voafonja eo anivon’ny fonja ben’i Toamasina ihany koa. Raha ny fanazavana azo dia isan’ny mpisoloky ara-tany izay fomba fakany vola aman’olona tsy mahalala eto Toamasina ity voalaza fa nitsoaka ny fonja raha nentina nitsabo tena ity.

Ho an’ny mpandraharaha ny fonja eto Toamasina izany dia tsy nampitsoahana ity voafonja iray ity fa efa nomaniny mihintsy ny fitsoahany ka nohararaotiny ny fotoana namparary azy nanaovany izany izay nitranga ny talata 27 novambra lasa teo; izay nohamafisin’ny lehiben’ny fonja sy ny talen’ny fandraharahana ny fonja eto Toamasina izany. Raha ny fanazavana nangonina mantsy dia resaka ady tany niaraka tamina fandrahonana ho faty ramatoa iray tompon-tany no nahatonga azy mifonja roa taona ao Ambalatavoahangy teo anivon’ny fitsarana ambony raha afaka noho ny fisalasalana izy teo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany. Noho izy tsy nihatrika ny fitsarana azy teo amin’ny fitsarana ambony io dia nivoaka ihany koa ny didy fampisamborana azy nandritra izany. Nandritra ny fotoan’ny fetin’ny maty teo anefa raha tsy nanampo na inona na inona namonjy fetin’ny maty tao amin’ny fasam-bahiny ingahy Roby Alphonse dia tonga nisambotra azy araka io didy fampisamborana azy ny FIP, ary avy hatrany dia nahiditra am-ponja ny tenany taorian’izay. Nilaza anefa ny tenany nandritra ny fidirany am-ponja izao fa noho ny daroka nahazo azy nataon’ny FIP nisambotra azy, dia niteraka aretina ho azy izany araka ny filazany fa tsy nisy ny porofo nanamarina izany na teo anivon’ny mpitsabo izany, na teo anivon’ny mpitsara nisahana ny raharaha, ka nahazo nitsabo tena ivelan’ny fonja izy. Efa faha-03 nivoahan’ny fonja nitsabo tena teny anivon’ny hopitaly be anefa izao nitadiavany nitsoaka ny fonja izao ary tsy hita ny misy azy hatreto, na efa manao ny fikarohana azy ireo mpandraharaha ny fonja. Ankilan’izany dia nanamafy ny talen’ny fandraharaharana ny fonja eto Toamasina, Atoa Napou Jeremie, fa heloka miampy heloka izao nataon’ingahy Rabo Alphonse izao.

Raha ny fanazavan’ity DRAP ity nandritra ny resaka nifanaovana taminy dia tsy azo ekena mihintsy izao fitsoahana ny fonja izao, satria matoa mivoaka ny didim-pitsarana dia misy heloka vitan’ny voafonja tao izay ; ka tsy maintsy hisy ny fanadiadiana mikasika ny raharaha hamantarana ny tena fandehan’izao heloka voararan’ny lalana eto amintsika izao. Tsy maintsy hizaka ny heloka vitany anefa ireo rehetra mety mifaningotra amin’izao raharaha izao hoy hatrany ity talen’ny fandraharaharana ny fonja Toamasina izao. Ho hita eo ny tohin’ny raharaha.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici