- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversFonjaben’i Taomasina : Miady amin’ny valan’aretina coronavirus

Fonjaben’i Taomasina : Miady amin’ny valan’aretina coronavirus

Ny zoma 20 marsa maraina teo dia nisy ny asa tanamaro nataon’ireo mpandraharaha ny fonja sy ireo voafonja tamin’ny fanadiovana sy fandrarahana fanafody teo anivon’ny fonjaben’i Toamasiana. Raha ny fanazavan’ny talen’ny fandraharahana ny fonja eto Toamasina, Atoa Napou Jeremi, dia tafiditra amin’ny ady ataon’ny fanjakana amin’ny valan’aretina coronavirus tsy hiditra eto izao hetsika izao, satria faritra saro-pady amin’ny valan’aretina tahaka ny coronavirus ny fonja. Maro ny hetsika efa noraisin’ny mpandraharaha ny fonja mikasika ny fisorahana ity valan’aretina ity hoy ny talen’ny fandraharaha ny fonja Atoa Napou Jeremi, eo ny fananganana komity manokana, ny fametrahana toerana fanasana tanana amin’ny savony matetikana, ary fitilina hafanana amin’ireo olona mamangy voafonja – na ireo mpanatitra sakafo azy ireo – na ireo voafonja vao miditra vonjy. Nomarihan’ny talen’ny fandraharahana ny fonja hatrany fa raha misy ny mety ho fidiran’izany eo anivon’ny fonja dia tsy maiamin’ny fiarovana ny voafonja sy ireo mpandraharaha ny fonja miasa eo anivon’ny fonjaben’i Toamasina ireo mpandraharaha ny fonja eto Toamasina. Hisy hatrany koa ny fandrahana fanafody matetika hatao ho fisorohana izany valan’aretina izany, ary efa vonona ireo fanafody hitsaboana ireo voafonja na mpandraharaha ny fonja mety ho voany amin’ny fotoana hisiany.

Hatoka-monina avy hatrany ireo voany, ary tsaboina toy ny olon-drehetra izy ireo. Raha sanatria tafiditra eto amintsika kosa izany valan’aretina coronavirus izany dia ny fanakatonana tanteraka ny fonja sy fampitokana-monina ny voafonja no atao, ka hifarana hatreto ny zon’ireo voafonja hovangiana saingy hisy hatrany fanaterana sakafo fa ho henjana ny fanaraha-maso ara-pahasalamana atao mandritra izany. Ankoatra izany dia efa vonona amin’ny fiarovana ny voafonja sy ireo mpandraharaha ny fonja miasa eo anivon’ny fonjaben’i Toamasina ireo mpandraharaha ny fonja eto Toamasina. Hisy hatrany koa ny fandrahana fanafody matetika hatao ho fisorohana izany valan’aretina izany, ary efa vonona ireo fanafody hitsaboana ireo voafonja na mpandraharaha ny fonja mety ho voany amin’ny fotoana hisiany.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici