- Publicité -
dimanche, juin 15, 2025
AccueilFaits-DiversFonjaben’i Toamasina : Nafindra any Tsiafahy ireo voafonja valo lahy nitarika fikomiana

Fonjaben’i Toamasina : Nafindra any Tsiafahy ireo voafonja valo lahy nitarika fikomiana

Tsy maintsy nesorina izy ireo mba ho filamin’ny fonja.

Nandraisan’ny talen’ny fandraharaha ny fonja Toamasina sy ny fitsarana ambaratonga ambony ary ny mpikamban’ny OMC eto Toamasina fanapahan-kevitra, ny famindrana ireo voafonja valo lahy isan’ny mpitarika fikomiana teo anivon’ny fonjaben’i Toamasina ny sabotsy 20 jolay lasa teo. Raha ny angom-baovao natao dia any Tsiafahy no namindrana azy valo lahy ireto ny 24 jolay lasa teo, ka isan’izany ilay zandary efa tsy am-perinasa intsony tratra nanao fanafihana mitam-piadiana tao Mahanoro, sy ingahy Bebeto izay tratran’ny polisy teto Toamasina isan’ireo andian-jiolahy mpanafika kioska sy banky. Saika heloka mifandraika amin’ny halatra arahana fanafihana sy mitam-basy avokoa no manenjika azy valo lahy ireto, ka ny efatra amin’izany efa namoahan’ny fitsarana ady heloka sazy am-ponja asa an-terivozona avokoa; ny efatra ambiny kosa mbola an-dalam-panatontosana ny fitsarana azy ny fitsarana ady heloka, saingy alohan’ny namindrana azy ireo any Tsiafahy, dia novitaina avokoa ny fanadihadiana teo anivon’ny mpitsara misahana ny raharaha ny 22 sy 23 jolay teo mba hahafahana mamarana ny antontan-taratasin’izy ireo amin’ny fitsarana.

Raha hiverenana ny anton’ity fikomiana nahatonga sahotaka sy poa-basy tao amin’ny fonja ny 20 jolay teo ity, dia resaka fanaovan’ireo voafonja trafika na rongony ao am-ponja. Maro ny fanontaniana nipetraka momba izany, nefa raha ny fanazavana dia rongony avy aty ivelany atsipin’ireo naman’ireo voafonja ao anatiny amin’ny alina, sy alefa amin’ny papango amin’ny antoandro sy ny takariva. Ny fonjaben’i Toamasina rahateo misy lalana fandalovan’ny olona ny manodidina azy ka izay no antony raha ny fanazavana. Nohamafisina noho izany ny fiambenana ireo voafonja sy ny fanaraha-maso azy ireo taorian’izay.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici