Niara-nisalahy mba nentina namalifaly ireo voafonja miisa 1.002 eo anivon’ny fonjaben’i Toamasina, ny omonoria katolika misahana ny fonja (ACP) sy ny « Handicap Intenational » izay efa mpiara-miasa amin’izy ireo hatramin’izay. Na misazy sy miandry fitsarana aza ireo voafonja dia manan-jo hifaly tahaka ny vahoaka rehetra rehefa tonga ny asaramanitra, hoy ireo mpandraharaha ny fonja.
Taorian’ny sakafom-piraisina niarahan’ny voafonja rehetra, nomen’ny ACP, dia nitohy ny sabotsy tontolo ny andro ny fetin’izy ireo niarahana tamin’ny « handicap international ». Nandritra io sabotsy namaranana ny taona 2016 io no nisian’ny hetsika ara-kolontsaina maro, ka ny samy voafonja ihany no nanomana sy nanao izany. Koa nisy ny fifaninana dihy nifanaovana, teo koa ny « festival de rire » nataon’izy ireo, ka raha voafonja 300 no nisoratra anarana ara-dalàna dia saika ny voafonja rehetra anefa no nanao izany, samy nampiseho ny talentany sy ny zavatra hainy avokoa izy rehetra.
Isan’ny nampiavaka ny hetsika ny sabotsy teo ity ihany koa ny lalao ara-panatanjehan-tena teo amin’ny samy voafonja, izay nahitana ekipa 14 teo amin’ny baolina kitra, sy ekipa 6 teo amin’ny basket. Tamin’ny lalao famaranana ny sabotsy tolakandro taorian’ny fifanintsanana ny sabotsy maraina tontolo, dia ny ekipan’ny « chambre 4 » sy ny « chambre 6 » no nibata ny amboara tamin’ny baolina kitra. Ny ekipan’ny « chambre 6 » kosa izany ho an’ny taranja basket-ball. Notoloran’ny lehiben’ny fonja, Ralay Christian, sy ny « handicap intenational » ondry sy vary iraygony ary amboara ireo mpandresy.
Ankoatra izay dia nahazo ny anjarany ihany ireo resy sy ny nandray anjara rehetra tamin’izao lalao ara-panatanjahan-tena sy hetsika samy hafa izao. Raha tamin’io sabotsy namaranana ny taona io kosa dia olona iray nahazo fahafahana vonjimaika no hany nivoaka ny fonja. Miisa 407 ireo efa voatsara raha 543 ireo miandry izany, izay ahitana tsy ampy taona miisa 25, ka ny 23 amin’izany zazalahy avokoa…
Malala Didier