- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversFonjaben’i Toamasina : Voafonja 02 nahavita ny saziny afaka nandritra ny fetin’ny...

Fonjaben’i Toamasina : Voafonja 02 nahavita ny saziny afaka nandritra ny fetin’ny krismasy

Ankoatra ireo voafonja nohafahan’ny fitsarana nandritra ireo fitsarana ady heloka be vava noho ireo porofo nihazonana azy ireo am-ponja tsy ampy na tsy mitombina, dia niisa 02 ireo voafonja nahavita ny saziny nivoaka ny fonjaben’i Toamasina nandritra ny fetin’ny Krismasy 2019. Raha ny tarehimarina voaray teo anivon’ny sampandraharaha ny fonjan’i Toamasina dia iray avy ireo voafonja nivoaka ny fonja nahavita ny saziny ny talata 24 desambra sy ny alaobia 25 desambra teo. Araka io tarehimariky ny mpandraharaha ny fonja io dia tsy hisy voafonja mivoaka mahavita ny saziny anio alakamisy 26 desambra, saingy ny zoma 27 desambra indray dia hiisa 07 be izao ireo mahavita ny saziny hivoaka ny fonja, raha hiisa 05 izany ny sabotsy 28 desambra, ary hiisa 02 izany ny alahady 29 desambra. Samy ho iray avy kosa izy ireo ny alatsinainy 30 sy ny talata 31 desambra ho avy izao. Raha atambatra izany dia miisa 18 ireo voafonja mahavita ny saziny ara-dalana mivoaka ny fonja nanomboka ny talata 24 desambra teo hatramin’ny talata 31 desambra izao. Ankoatra izany dia nilamina ny fankalazan’ny vahoaka teto Toamasina ny fetin’ny krismasy raha tarafina amin’ireo olona voatery mamonjy toerana famonjena aina ny hopitaly be no hitarafana azy. Raha midangana hatrany ny tarehimarina mazàna dia niha-vitsy izany tamin’ity taona ity, satria tsy nisy afa-tsy 05 ny lozam-pifamoivoizana ka ny 03 fifandonana moto sy fiara avokoa, ary miisa 08 ny loza an-dalam-be sy ratra samy hafa vokatry ny fahamamoana.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici