- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversFonjan’Antanimora : « Aoka tsy hisy intsony ny « saronan-karona », ny...

Fonjan’Antanimora : « Aoka tsy hisy intsony ny « saronan-karona », ny kolikoly amin’ny endriny rehetra »

Hentitra ary mazava ny baiko nomen’Atoa Inspecteur général d’administration pénitentiaire, Ranaivo Andrimaroahina Tovonjanahary, Tale jeneralin’ny fandraharahana ny fonja eo anivon’ny ministeran’ny Fitsaràna, tamin’ireo mpandraharaha ny fonja tetsy Antanimora ny alarobia teo, nandritra ny lanonana fohy fametrahan-toerana ny lehiben’ny fonja vao voatendry.

« Aoka ho rivo-baovao  no hitsoka ety Antanimora ary tsy hisy intsony ireo kolikoly amin’ny endriny rehetra » hoy izy. Nanazava moa ity farany fa anisan’ny vaindohan-draharaha sy laharam-pahamehan’ny ministeran’ny Fitsaràna ny fanadiovana sy ny ady amin’ny kolikoly ary ao anatin’izany ny eny anivon’ny Fonja, izay andraikitry ny mpandraharaha ny fonja. Midika anefa izany fa tsy izy ireo ihany akory no mety halaim-panahy hiditra amin’izany, fa eo ny voafonja samy voafonja, ny fianakavian’ny voafonja, na ireo tompon’andraikitra isan-tokony sy fikambanana samihafa. Iretsy voalohany moa, raha ny fanazavana nentiny, dia efa maro no niharan’ny sazy, noho izay resaka kolikoly izay. Na sazy ara-pitsipika io na sazy araka ny lalàna velona misy eto amintsika.

Fifandimbiasan-toerana. Marihina fa notontosaina tamin’io andro io ihany ny fifamindrana araka asa teo amin’ireo Lehiben’ny fonjan’Antanimora vaovao, ny Controleur d’administration pénitentiaire (CAP) Randrimanantena Jean Claude sy ny Lehiben’ny fonja teo aloha, ny CAP Rakotonanahary Tahiana, izay natrehin’ity tompon’andraikitra ambony ity, niaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminy rehetra ary ny Tale rezionalin’ny fandraharahana ny fonja eto Analamanga. « Tsy hoe tsy mahavoa akory ilay nodimbiasana na ity nasolo azy ity no tena mahay fa tafiditra ao anatin’ny paik’adin’ny ministera, hanatsaràna ny kalitaon’ny asa, ny politikan’ny fifandimbiasan-toerana». Tsy nohadinoin’ity manambonahitra ity moa ny nisaotra ny lehiben’ny fonja teo aloha tamin’ny asa rehetra vitany teo anivon’ny fonjan’Antanimora ary ny fankaherezana sy ny firarian-tsoa ho an’ny lehiben’ny fonja vaovao, hahavita soa aman-tsara ny andraikitra asaina sahaniny.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici