- Publicité SW45 -
mercredi, janvier 15, 2025
AccueilFaits-DiversFonjan’i Tsiafahy : Jiolahy rain-dahiny misy mitady hamoaka sahady

Fonjan’i Tsiafahy : Jiolahy rain-dahiny misy mitady hamoaka sahady

Anisan’ireo olon-dratsy voarohirohy tamin’ny fanafihana mpandraharaha, mpisehatra amin’ny fividianana volamena tetsy Ambohipo i R.V. Roa herinandro lasa teo izay no voasambotry ny pôlisy ity farany, taorian’io fanafihana io. Taorian’ny fanolorana azy teny anivon’ny Fampanoavana dia nisafidy ny hametraka azy vonjimaika eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy ireo mpitsara mpanao famotorana. Ity olon-dratsy ity, izay efa tsy zoviana intsony tamin’ireo mpitandro filaminana ary nikoizana tanteraka tamin’ny asa ratsy ataony, raha ny fanazavana azo. Efa maro, raha ny vaovao azo hatrany no asa ratsy vitany ary nampitondra taikatra olona maro izy tamin’izany. Io fanafihana mpandraharaha io no nataony farany. Rehefa nandeha ny fikarohana azy dia izy voasambotra izao. Fantatra anefa, raha ny feo mandeha fa misy olona manam-pahefana, olona ambony mikasa mafy ny hamoaka azy indray eny amin’ny fonja hitazomana azy amin’izao. Manahy mafy ny amin’izany ireo lasibatra ary miantso ireo tompon’andraikitra hijery akaiky ity toe-javatra ity.

Nangonin’i m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici