Noraisim-potsiny tao amn’ny fokontany Amparihy, ny tovolahy iray namono olona tao Ambinanikely. Herinandro maromaro lasa no nisehoan’ny vono olona. Marihina fa tsatoka antsy teo amin’ny fon’ilay raim-pianakaviana no nataony. Avy teo nitsoaka niafina. Nihevitra ny tenany fa ho efa nangingina ny raharaha. Nivoaka nitsangatsangana ilay nahavanon-doza. Nandray ny fepetra avy hatrany ny mpitandro filaminana raha vao nahazo vaovao tamin’ny olona tsy fantatra. Amin’izao fotoana izao, voatazona ao amin’ny kaomisarian’ny polisy Bazaribe ilay ranamana anaovana fanadihadiana alohan’ny hitondrana ny raharaha eny amin’ny tribonaly. Mifandraika amin’izay, mahazo vahana amin’izao fotoana izao ny vaky trano ao amin’ny kaominina ambonivohitra iray ity. Maro ireo entana sy fanaka an-trano.
RFa