- Publicité SW45 -
vendredi, avril 19, 2024
AccueilFaits-DiversFort-Dauphin : Manatantely – Sonierana, Lehilahy iray maty voatifitra, iray hafa...

Fort-Dauphin : Manatantely – Sonierana, Lehilahy iray maty voatifitra, iray hafa matin’ny fitsaram-bahoaka

Olona iray maty voatifitra basy, ny iray hafa namoy ny ainy noho ny valifatim-bahoaka. Maty tsy tra-drano ny lehilahy mpivahiny iray ny sasak’alin’ny alakamisy hifoha zoma teo. Nandondona ny varavaran’ilay rangahy iray ity namono. Hitady ny vadiny nandositra ny fampijaliana nataony.Vao nosokafana ny varavarana nisy ilay olona heveriny fa nisitrihan’ny vadiny dia ‘ tifitra pistolet variraraka  no nitsena azy. Pistolet vita gasy. Ny anton’ny famonoana dia voalaza fa nanafina ny vadiny ilay olona ary dia nanaovany ady gasy tamin’ny pistolet. Maty tsy tra-drano io. Vory ny fokonolona  raha vao naheno ny poa-basy mamantonalina. Saika handositra ilay nitifitra, saingy voatazon’ny fokonoloana. Tsy nisy alaharo fa raikitra ny fifanjevoana narahina daroka, tsatoka lefona sy fira famaky miharo tora-bato…..Vokany, namoy ny ainy ihany koa ity farany. Azo adika ho fitsaram-bahoaka izany. Faty roa no indray hita ao amin’ny tanànan’i Manatantely, kaominina Sonierana. Efa mivadika biby tokoa ny olona.

RFa

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser