Nisy olona niteny taminy fa tsy zanany ilay zaza, ka dia novonoiny izy mianaka. Any am-ponja amin’izao fotoana izao ilay rangahy namono nahafaty ny zanany sy ny andefimandriny (vaovao efa notanterina teto ihany). Raha tsiahivina, tany am-pilana gôlety tany akaikin’i Mandena Maroamalona izy telo mianaka. Tsy niverina anefa izy mianaka ary ary ny fatiny efa tapa-doha no nisy nahita. Tsy hita ihany koa ny nanjavonan’ilay raim-pianakaviana, ka tsy natao ny fandevenana ireo maty. Ilay rangahy andefimandriny, tsy hita ny nanjavonany nandritra izany fotoana izany. Ny hariva fotoana nampangina ny tanàna, tonga nijokojoko namonjy ny tokantranony ilay rangahy. Betsaka ny nahatsikaritra. Olona tsara sitrapo no nampilaza avy hatrany ny mpitandro filaminana tao Bazaribe. Nandray ny andraikiny avy hatrany ny pôlisy. Nosamborina ilay raim-pianakaviana. Nanontaniana ny zava-nisy. Maro mantsy ireo niahiahy fa anisan’ny tompon’antoka tamin’ity habibiana nahatsiravina ity ilay rangahy. Raikitra ny fakana am-bavany azy. Na niezaka nanadio tena teo imason’ny mpanao famotorana ho tsy mahalala ny mahakasika ity habibiana ity aza izy , niaky ho tompon’antoka tamin’ny famonoana azy mianakana ireo tamin’ny farany. Tamin’ny fanahadihadiana ihany koa no nilazany, fa noho ny feo miely fa tsy zanak’ilay rangahy ilay zaza no antony nanaovany izany habibiana izany. Fanapaham-bozono tamin’ny alalan’ny antsy.
RFa