Nandritra ny fidinan’ny mpitandro filaminana tamin’iny tapany avaratry Fort dauphin no nahatratrarana bolongana “bois de rose” maromaro iray sambo (tsy mbola fantatra ny isany). Araka ny efa nambara teto anisan’ny mitobaka ny mbola fitrandrahana sy fanondranana ity hazo sarobidy ity any amin’ny tapany avaratry ny distrika iray ity. Notazonina ao an-dadoany na port teo aloha ity sambo iray ity, amin’izao fotoana. Mandeha ny fanadihadiana mahakasika ilay sambo sy ireo olona voarohirohy. Mahakasika ilay sambo rendrika na niniana narendrika tao Sainte Luce (Magnafiafy) kosa indray tsy mbola nahazahoana vaovao fa ny zava-nisy tsy hita fa nitsoaka ireo ekipazy. Ireo entana tao anatiny kosa norobain’ny mponina samy naka izay tiany.
Onésime