- Publicité -
lundi, septembre 22, 2025
AccueilFaits-DiversFort-Dauphin : Sokatra mahery ny100 saika haondrana no tra-tehaky ny polisy

Fort-Dauphin : Sokatra mahery ny100 saika haondrana no tra-tehaky ny polisy

Mbola mahazo laka ny fanondranan’olona an-tsokosoko ny harem-pirenena malagasy.Iray amin izany ny sokatra.Sokatra madinika mahery ny 100 no tra-tehaky ny mpitandron’ny filaminana avy ao amin’ny polisim-pirenena Taolagnaro ny Zoma& teo . Fiarabe « Tata ».Zotra nasionaly mampitohy an’i Tolagnaro sy Antananarivo.Vao niala 1km nivoaka ny tanàna ilay fiara no nosakanan’ ireo mpanao (PR) police de la route.Teo am-pisavana ny entana no nahatratrarana ireto sokatra madinika mahery ny zato ireto. Tanaty baoritra ary napetraka tamin’ny sakaosy lehibe iray. Nasaina nivoaka avokoa ireo mpandeha. Samy nandeha nivalan-drano ireo mpandeha.Teo indrindra no nohararaotin’ ilay tompon’entana nitsoahana(nandositra).  Ny polisy ao Bazaribe any an-toerana.Manaitra ny mbola itazonin’ny polisy ny mpamily sy ny mpanampiny ary ilay mpandamina ny entana hatramin’izao ora andefasana ny vaovao zao.Marihina fa avy eto an-drenivohitra izy ireo.Efa dila ihany koa ny fe-potoana tokony hitazonana azy ireo.

RFa.

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser