Mbola miteraka resa-be ao an-denivohitra Anosy hatramin’izao ny nahafaty an’i Dally, mpandraharaha ara-toekarena. Araka ny fanadihadiana, tsy mbola misy mangirana ny fikarohana ireo olon-dratsy. Mbola ahiahy sy honohono ihany no misy sy mibahan-toerana. Marihina fa matetika ny famonoana teratany karàna toy izao, raha tsy hiteny afa-tsy ny nahafaty an’i Goulam Hussein, mbola mpandraharaha ihany koa, taona vitsy lasa, tao Bazarikely. Manoloana ity vonoan’olona nahatsiravina ity ,namory mpanao gazety tany Fort dauphin, tao amin’ny toeram-piasany ao Ampasikabo, ny Lt Kly Théodule, lehiben’ny vondrontobim-paritry ny zandarimaria. Tamin’izany no nanentanany ny mponina mba hifanome tanana amin’ny ho fikajiana ny fandriam-pahalemana maharitra. Nohararaotiny tamin’izany ny nanomezana ireo laharana finday tokony hantsoina raha misy seho mampiahiahy any amin’ireo kartie. Tsy nisy kosa ny fanomezam-baovao matotra mahakasika ireo olona na andianan-jiolahy namono an’Itompokolahy Dally ny zoma takariva teo. Hatreto dia mbola sahobakaka ambody riana mitaintain-dava noho ny tsy fandriam-pahalemana misy ao Fort dauphin renivohitra ny mponina. Raha ny any ambanivolo kosa indray dia ireo mpitandro ny filaminana indray no mampihorohoro ny mponina. Tsy vitan’ny hoe mampihorohoro ihany fa manampatra fahefana sy variana amin’ny fitakiam-bola fotsiny. Mponina izay mbola miaina amin’ny ramatahora lava izao. Manaporofo izany ireo fihetsika miendrika fanamparam-pahefana tany amin’ny kominina Ranomafana Ambolo, any amin’ity distrika iray ity.
Rfa.