- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversFort-Dauphin : Vaky fasana, olona 12 lahy nivarotra taolam-paty voasambotra

Fort-Dauphin : Vaky fasana, olona 12 lahy nivarotra taolam-paty voasambotra

Taola-paty 120 isa:(118 taolan-dava ary 02 taola-pisaka). Ireo no tratehakin’ny mpitandron’ny filaminana avy amin ny polisi-pirenena any Fort Dauphin. Olo-tsotra no nahazahoana ny loharanom-baovao. Nandray ny andraikiny avy hatrany ny mpitandron ny filaminana.Teo am-piandrasana indrindra ny mpividy ny akora nanoloana ny Hotely Spa Azura-Bazarikely ny roa tamin’izy ireo no noraisi-potsiny. Ireto roalahy ireto no nanoro ny namany hafa monina tao Amboanato. Tsy nijanona ho efatra ireo voarohirohy fa niakatra ho 12-lahy ary, saika mbola tanora avokoa. Ny 15 Oktobra teo no nitrangan’izany. Tamin’ny valan-dresaka  nifanaovan’Andriamanatsoa Donah commissaire de la ville-n’ny Bazaribe(Fort Dauphin)no nahafantarana fa avy any amin’ny kominy Mahatalaky ireo taolana ireo ary nentina tamin’ny bisikileta.Taorian’ny fakana am-bavany nataon’ny polisy azy ireo natolotra ny mpitsara mpanao famotorana ary nampidirina am-ponja vonjimaika miandry ny fitsarana azy ireo.Tsy vao izao no nitrangan ny halatra taola-paty fa efa matetika. Saika vaky avokoa ny fasan’ireo mponina ao Ambato Mahatalaky ity.

RFa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser