Raha saika handeha mangingina haka tangoaraky (corail noir) izy telolahy no narendriky ny vedette tao Andemby, tsy lavitra ny kominina Analapatsy, any amin ny distrikan’i Fort Dauphin .Tonga tampoka tsy nampoizina ny tsioka atsimo .Nivadika sy natotatotan’ny onjan-dranomasina ilay vedety. Maty ny iray tamin’izy telo lahy. Ny roa kosa avotra soa amantsara. Saika ho any Faux cap, any amin ny distrikan’i Tsihombe izy mirahalahy ireto izao niharan-dozam-pifamoivoizana an-dranomadina izao. Ny talata maraina teo no nitrangan’izany. Midika ity tranga ity fa mbola manjaka ny tsy fanarahan-dalana amin’iny fitrandrahana ity akora iray ity any amin’iny faritra Anosy sy Androy iny.Tamin’ny fanadihadiana no nahalalana fa misy olona ambony ao ambadik’ity fitrandrahana tangoaraky ity.
RFa.