Nandriaka indray ny rà tetsy amin’ny Fort-Duchesne, omaly vao maraim-be, tokony ho tamin’ny iray ora maraina tany ho any. Raha saika hanatitra ireo zandary avy nanao « service d’honneur » mantsy ny fiaran’ny zandary iray, marika Unimog, no nifandona tamina fiara Mazda nitondra olona. Vokany, naratra ny olona efatra tao amin’ilay mazda, ary isan’ny voa mafy ny mpamily. Zandary iray tao amin’ilay Unimog kosa no naratra ihany koa. Voatery nentina haingana teny amin’ny toeram-pitsaboana avokoa moa izy ireo. Tetsy an-danin’izay kosa dia potika tanteraka ilay fiara mazda. Araka ny fantatra dia tena nandeha mafy tokoa ity farany. Ny fizahana nataon’ireo mpitandro filaminana tonga teny an-toerana taorian’ny nitrangan’ny loza mantsy no nahafantarana fa efa ho any amin’ny 30 metatra ny dian’ny kodiarana tamin’ny arabe. Mbola tsy nitsoaka ary tafiditra ihany koa ny « vitesse 5eme “, taratr’izay fandehany mafy izay. Asa raha hoe mety tsy hitan’ilay fiara mazda avy any Ampasampito ilay fiarabe handeha hitsofoka amin’ny vavahadin’ny toby iray tamin’iny toerana iny fa avy hatrany dia nohitsiny. Tsy tana mihitsy araka izany ny loza. Amin’iny lalana avy any Ampasampito mizotra mankany amin’ny Mausolée iny tokoa dia saika manampatra ny tanjaky ny fiara entiny ny rehetra, indrindra fa ireo taxibe. Tsy andro, tsy alina izany. Tsy dia betsaka fiara mifamoivoy tokoa mantsy kanefa somary malalaka ny lalana, saingy be fiolanana mampidi-doza tokoa. Manaitra ny sain’ireo tompon’andraikitra ihany ny amin’izany satria dia tsy vao izao no nisiana lozam-pifamoivoizana toa izao teo amin’io toerana io.
m.L