Nirodana ny trano ary maty tsy tra-drano tao anatin’izany ny ramatoa iray manodidina ny 60 taona. Tokony ho tamin’ny iray ora maraina no nitrangan’izany, omaly, tetsy Fort-Duschène. Tao anatin’ny torimaso mihitsy ilay ramatoa no izao niharan-doza izao. Raha araka ny fantatra, dia nisy olona iray niaraka taminy tao anatin’io trano io saingy mba afa-doza. Trano vao eo an-dalam-panamboarana io nirodana io. Nolazain’ny teny an-toerana fa ratsy ny fanorenana azy hany ka izao nitera-doza nahafaty olona izao. Heverina ihany koa fa ny oram-be izay nitranga tampoka tamin’ny vanim-potoana izay tsy tokony hisy izany intsony, dia mainka koa nampahaingana ny firodanan’ilay trano. Efa mba samy nieritreritra ny afa-doza tamin’ity taona ity ny mponina sasany eny amin’ny faritra matetika mizaka ny mafy rehefa tondraka ny ranon’ny fahavaratra. Saingy noho ny fandalovan’ny rivodoza tampoka aty amin’ny fotoana efa tsy fitrangan’izany intsony, dia niverina indray ny fitaintainana. Momba ity tranga ity, dia tsara andehanan’ny saina ihany ny amin’ny fahazoan-dàlana hanorina trano. Ny tsikaritra mantsy, dia na amoron-kady sy amoron-tevana aza amin’izao fotoana izao dia mbola misy manorina ihany, indrindra fa eto ampivoan-tanàna. Tsy vitan’izany fa saika ireo trano be misy rihana maro sy hanaovana hotely lehibe no tena tsikaritra hanaovana izany fanorenana izany. Raha mivoaka kely indray, toa ny eny amin’ny By-Pass, dia misy olona izay efa mahita izao fa toerana dibo-drano isan-taona dia mbola hanorenana trano, ary mbola sahy mividy lafo ihany. Midika izany rehetra izany fa tsy misy toerana hanorenana intsony mihitsy eto Andrenivohitra hany ka na fantatra aza hoe mitera-doza dia mbola sahy ihany ny olona ny miditra amin’izany. Eo amin’ny fahazoan-dàlana hanorina indray, dia mbola betsaka ny risoriso izay ny vokatra dia hitan’ny rehetra maso ary tsy takona hafenina. Mbola betsaka ny ezaka atao momba ity lafiny fanorenana tsy ara-dalàna; izay ny vokany dia tsy misy afa-tsy ny loza ho an’ny olona na ho an’ny manodidina azy…
D.R