Lehilahy roa mpanao bizina volamena avy any Ihosy, faritra Ihorombe, no lasibatry ny fanapoizinana vokatry ny fanafody natao tamin’ny sakafo nohanin’izy ireo, ny alin’ny talata 28 septambra lasa teo, tany Fotadrevo, distrikan’i Bekily, faritra Androy, ka taraiky tsy mahatsiaro saina. Very lasan’ny olon-dratsy tamin’izany ny lelavola fito tapitrisa ariary tao anaty sakaosy, saika hividianana volamena, hoy ny fianakaviany. Nanamafy ireto farany nitafa taminay omaly, fa hatramin’izao ora anoratanay izao dia mbola tsy tomombona ny fahasalaman’ireto mpividy volamena voapoizina ireto. Verivery saina ihany koa ny iray taorian’ny fahavoazana nihatra taminy. Misy olona ahian’ny fianakaviana ho atidoha nikotrika ity halatra avo lenta ity, fa mbola manangona ny porofo izy ireo, hatramin’izao, hisorohana ny fanosoram-potaka.
Manitrisa
Fotadrevo : Mpibizina volamena roalahy voapoizina, very Ar 7 tapitrisa
Articles qui pourraient vous intéresser