- Publicité -
dimanche, juin 8, 2025
AccueilFaits-DiversFoulpointe : Faharendrehan'ny sambokely "Red rose", avotra avokoa ny mpandeha

Foulpointe : Faharendrehan’ny sambokely « Red rose », avotra avokoa ny mpandeha

Vokatry ny faharatsian’ny ranomasina nateraky ny onjabe, dia vaky teny afovoan-dranomasina ny sambokely « M/S Red Rose » avy any Maroantsetra, teo anelanelan’i Mahambo sy Mahavelona Foulpinte ny alin’ny alakamisy 5 mey teo raha hiazo an’i Toamasina. Raha ny fanazavana azo avy amin’ny lehiben’ny faritra Analanjirofo, Ramaroson Jacques, izay tonga namonjy ireo mpiantsambo niisa 10 tao anatiny ny alakamisy alina ihany, tokony tamin’ny 8 ora alina no nahazo antso izy ireo tamin’ity loza an-dranomasina ity. Nomanina avy hatrany ireo vedety haingam-pandeha izay niantohan’ny faritra avokoa ny solika nampandehanana azy. Nanomboka teo ny fikarohana ireo mpandeha tao anatin’ilay sambo kely, ka tamin’ny 4 ora maraina feno ny isan’izy 10 tao anatin’ilay sambo kely, midika izany fa tsy nisy maty ireo mpiantsambo tao anatin’ity sambo kely “M/S Red Rose” avy any Maroantsetra ity; ireo entana nentin’izy ireo kosa dia naira-nilentaka tamin’izao fahavakisan’ny sambo kely izao. Raha ny fanazavana hatrany dia isany rendrika niaraka tamin’ity sambokely tra-doza tao amin’ny fari-dranomasina Mahambo sy Mahavelona Foulpointe ity, ny entana sy fanafody avy nanaovana fandidiana nataon’ireo fikambanana miara-dia amin’ny Dr Koicha avy any La Réunion ao anatin’ny fikambanana “Medecin de l’Océan Indien” tao Maroantsetra. Ny tena nahagaga ny rehetra tamin’izao raharaha izao, dia tsy sambany nahazo ireto fikambanana entin’ny Dr Koicha nihatra tamin’izy ireo teto Madagasikara izao loza nahazo ny entan’izy ireo izao; satria efa nisy koa ny fianjeran’izy ireo tamin’ny fiaramanidina raha avy nanao fitsaboana tany Morondava, sy ny efa faharendrehan’ny lakana nitondra azy ireo koa tao atsimon’ny nosy. Ny firindran’ny fandraisana andraikitra haingana teo amin’ny lehiben’ny faritra Analanjirofo sy ny prefen’i Fenerivo atsinanana, no tena niantoka ny tsy fisian’ny fahafatesan’ny olona tamin’izao raharaha izao raha ny faharatsian’ny ranomasina no jerena…

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici