Roa andro ihany izy no notazonina vonjimaika tao Antanimora dia efa miriaria sahady eran’Antananarivo. Efa hitan’ny olona mandehandeha amin’ny fiara 4X4 raitra, toa ny tsy nisy na inona na inona nanjo azy. Torak’izany ihany koa ilay teratany amerikana nidaroka mpiasan’ny kaominina ; izay navotsotry ny fitsarana ary natao « dossier classé » akory aza ny raharaham-pitsaranany. Tranga roa izay nanetsika ny hambom-pon’ny olona ireo ary narahin’ny mpanara-baovao mihitsy izay mety ho fihetsiky ny manampahefana manoloana ny zava-nitranga. Nahafa-po ihany rehefa nisy ny famonjana, satria na inona inona resaka dia tsy azo ialana mihitsy ny vono sy daroka niniana, izay azon’ny olona sary rahateo. Saingy famonjana…vonjimaika araky ny fiteny tokoa, mba nentina nanakomana fotsiny angamba fa mbola misy fanjakana eto. Tapitra teo amin’ny roa andro izany ary dia samy nahazo fahafahana avokoa ireo teratany vahiny. Mazava raha hanao ny lohany izy, satria na ny sazy aza toa tsy mampiraika firy akory ny volomasony akory…
D.R