- Publicité -
samedi, juin 21, 2025
AccueilFaits-DiversFree-News : Hohenoina hatramin’ny tompon’ny gazety

Free-News : Hohenoina hatramin’ny tompon’ny gazety

Omaly no nohainoina tao amin’ny pôlisy misahana ny raharaha ady heloka bevava (BC) ny talen’ny famoahana sy ny tonian’ny fanoratan’ny gazety an-tsoratra Free-news. Izany dia taorian’ny fametrahana fitoriana izay nataon’ny filohan’ny Antenimieran-doholona izay nahatsiaro ho afa-baraka tao anatin’ny lahatsoratra iray. Nahavariana ny mpisehatra eo anivon’ny asa fanaovan-gazety ny zava-nitranga, satria raha ady heloka tsotra no tokony hanasokajiana ny vaovao diso an-gazety na koa izay mety ho fanalam-baràka, ny fanatontosana ny fanadihadiana teo anivon’ny BC kosa, dia toa midika fa lasa heloka bevava izany. Naharitra adiny enina tsy an-kiato ny fihainoana ny tonian’ny fanoratana ary hatramin’ny harivabe kosa ny an’ny talen’ny famoahana. Hatreto, dia tsy nisy nipika ny mety ho vontoatin’ny fanadihadiana, samy nanaja ny tsiambaratelon’izany avokoa ireo izay nanatrika, na izany ireo olona nohainoina na ireo mpisolovava telo nanatrika izany, na koa ny teo anivon’ny Holafitry ny mpanao gazety izay nanatrika ihany koa ny fanadihadiana. Ny teo anivon’ny Holafitra, dia talanjona ihany koa raha nandre fa eo anivon’ny BC no hanaovana ny fihainoana ireo mpanao gazety, isan’ny antony nandehanan’ireo mpikambana nanatrika ny fanadihadiana izany. Izy ireo rahateo dia nanamafy fa efa nisy ny fanelanelanana natao mba handravonana ity raharaha ity saingy mbola tonga any amin’ny fitoriana ihany ny zava-misy. Ankoatr’izay dia fantatra koa fa hampiantsoana ary hohainoina ny tompon’ny gazety Free-news. Amin’ny mpanara-baovao, dia manomboka sahady izany ny voka-dratsin’ilay lalàna 2016-029 mifehy ny serasera izay nasiam-panovana. Na tsy misy intsony aza ny fanagadràna ao amin’izany dia azon’ny olona mbola henjehina indray ao amin’ny lalàna mifehy ny “cybercriminalité”. Tsy vitan’izay noho ny tsy fahampian’ny fampahalalàna io lalàna io dia lasa samihafa ny fandikàna azy. Isan’ny voatsipika ao ny hoe “civilement responsable” ny tompon’ny gazety amin’ny fananany. Izao anefa dia toa hatramin’ny tompony koa no hadihadiana. Mila fandinihana maika ny fanovàna ilay lalàna…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici