- Publicité -
lundi, juillet 14, 2025
AccueilFaits-DiversGadra tratran’ny zandary saika hanao fanafihana : “Tsy voafonjanay eto Ambalatavoahangy” hoy...

Gadra tratran’ny zandary saika hanao fanafihana : “Tsy voafonjanay eto Ambalatavoahangy” hoy Atoa Ralay Christian

Isany vaovao nahoraka tamina haino aman-jery sy sampana fampahalalam-baovao samy hafa, ilay raharaha fahatrarana zandary tao Vatomandry ity tovolahy iray mbola mamita ny saziny am-ponja, nefa tratra niaraka tamina basy teo am-piketrehana fanafihana mitam-piadiana tany Mahanoro. “Tsy voafonjanay eto Ambalatavoahangy izany tratran’ny zandary izany, satria mazava ny fanazavana nomenay ny zandary ny herinandro nivalona teo, fa voafonja efa nafindra toerana tany Soanierana Ivongo ary misy taratasy ara-dalana mamindra toerana azy”, hoy Atoa Ralay Christian lehiben’ny fonjam-ben’i Toamasina tamin’ny fiantsoany mpanao gazety nanazavany ny zava-misy omaly maraina. Araka ny taratasy milaza ny zava-misy voarain’ny mpanao gazety dia voafonja voasazin’ny fitsarana dimy taona ny 19 aogositra 2016 noho ny halatra vitany ity olona ity izay tratran’ny zandary tao Vatomandry ity, saingy ny 10 may 2017 araka ny taratasy famindrana azy tao amin’ny fonjan’i Soanierana Ivongo laharana 003-MJ/DGAP/DRAP/ATS, dia tsy izy irery no niaraka tamin’izany fa teo ihany koa ireo namany telo, Ralison Theodore misazy 05 taona sy Tsimanosy ary Geralda izay samy misazy 06 volana avy. Ny fanazavana hafa kosa no nahafantarana fa voafonja mpanao asa ivelan’ny fonja eny anivon’ny “camp penal” ny fonjan’i Soanierana Ivongo ingahy io no izao nitsoaka nikasa hanao fanafihana mitam-piadiana izao. Tamin’izao toe-javatra niseho izao anefa dia mitsabo tena noho aretina mitaiza azy teto Toamasina ny lehiben’ny fonja tao Soanierana Ivongo, ka ny lefiny no nisahana ny asa rehetra. Efa misokatra ny fanadiadiana nisian’ny gaboraraka teo anivon’ny fandraharahana ny fonja ataon’ny tale provinsialin’ny fonja eto Toamasina, ka ho hita eo ny nahatonga ny tranga nisy izao.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici