Tany misy taratasy ary manan-tompo kanefa vitan’izy ireo ny mivarotra izany. “Naheno tsilian-tsofina ny borigady Ambohimangakely fa misy ramatoa efa malaza ratsy amin’ny fisolokiana izay mikasa indray hivarotra tanin’olona. Novelarina ny fandrika ka voasambotra ilay ramatoa. Nisy antontan-taratasy maromaro mikasika fananan-tany teny aminy : taratasy fifampivarotana tany, fanamarinana maha-mpandova, sora-pahafatesan’ny rain’ilay voalaza fa mpandova. Lehilahy roa no mpanampy azy amin’izany ka ny iray amin’ireo dia havanana amin’ny fanamboarana fitomboka hosoka sy taratasy sandoka. Tambazan’izy ireo vola 600.000 ariary ilay vehivavy lehibe mba hanasonia taratasy fifampivarotana tany izay tsy ananany akory ary koa hanome dika mitovy ny kara-panondrony”, raha araka ny fampitam-baovaon’ny zandary. Rehefa vita izany dia sahin’izy ireo ny mandroaka amin’ny tany ireo olona mipetraka eo. Tany 25 Ara izay eo amin’ny fokontany Andranovao Ambohimangakely no voakasika tamin’ity indray mitoraka ity. Raha ny fanampim-panazavan’ny zandary dia efa saika nigadra avokoa ny ao anatin’ilay tambajotra ary mahakasika fampiasana hosoka amin’ny halatra tany ny anton’izany. Misy amin’ireo no efa lefitry ny olom-boafidy tany aloha tany. Rehefa natolotra ny fampanoavana dia nidoboka am-ponja avokoa izy rehetra. Saingy mbola atahoran’izy ireo ve ny fonja raha fantatra fa efa nandalovan’izy ireo im-betsaka izany. Midika izany fa tsy ampy an’ireo olona ireo ny sazy roa taona raha be indrindra ary tsy mampifendro akory. Mety raisiny ho toa ny miala sasatra ny fandalovana am-ponja angamba ary eto amintsika koa dia mbola marefo ny lalàna manery ny famerenana ny vola azo tamin’ny fisolokiana. Dikany, misy ny olona rehefa mahazo be amin’izany dia tsy misy izay irarahiany ny famonjàna, fantatra koa fa rehefa be vola dia miadana any amin’ireny toerana ireny.
D.R




